Betatao
18°11′00″S 47°47′00″E / 18.183330°S 47.783330°E
| Betatao | ||
| Velarantany | NC | |
| Haavo | ||
| Isan'ny mponina | 15 092 | |
| Ben'ny tanàna | ||
| Firenena | ||
| Fanjakana | ||
| Faritany | Antananarivo | |
| Faritra | ||
| Tanàna mifanolo-bodirindrina | ||
Betatao dia firaisam-pokotany malagasy ao amin'ny fivondronan' Anjozorobe, Faritanin'Antananarivo. Ny isan'ny mponiny ao dia tombanana ho 15092 araka ny faminavinana natao tamin'ny taona 2000.Ka mitsinjara ho amin'ireto tanàna manaraka ireto : Tsimiasy , Ambakohasina , Beseva , Mahatsinjo , Ambodiakondro , Ambohibao , Mahatsara, Apbongamarina , Maharivolanitra, Analabe , Mahambo, fieferana , Manarintsoa , Ambohimalaza , Andohala , Ankondrokely
Ny kaodin'ny kaominina dia ny 10715 , raha toa ka mitondra ny kaodin'ny distrika laharana 107
Vokatry ny fambolena
[hanova | hanova ny fango]Mifototra amin'ny fomba sy tekinika maro ny fambolena fanaon'ny mponina ao amin'ny kaominina ambanivohitra betatao.5% monja raha tombanana ny taham-pampiasana zezika simika ho amin'ny famokarana.
Anisan'ny vokatra lafo vidy faharoa ny mangahazo.Raha toa ka ny fambolena vary no lehibe indrindra amin'ny lafin'ny fambolena ary mibahana velarantany lehibe.
Ny entana fahatelo lafo vidy indrindra vokarina ao antoerana dia ny tsaramaso
Tombanana ho 7172isa ny omby , raha toa ka 2398 kosa ny isan'ny kisoa.
Anisan'ny fambolena faharoa lehibe indrindra mibahana velaran-tany ihany koa ny fambolena mangahazo.
Ny vokatra lafo vidy indrindra dia vary.
98% ny mponina dia saika mpamboly ary miasa tany mivantana.Raha toa ka ny 2 % ny mponina no miasa amin'ny sehatra asa hafa.
Ara-tsosialy
[hanova | hanova ny fango]Ahitana fikambanan-tantsaha ao . Ahitana fikambanam-pampiasa rano ao.
Fotodrafitrasa
[hanova | hanova ny fango]Tongavan'ny lalam-paritra ilay tanàna : lalana mampitohy azy amin'ny kaominina rehetra manodidina azy.
Ahitana tobim-pahasalamaba ihany koa ao na ny CSBII
Ijanon'ny taxi brousse ilay kaominina, izay taxi brousse mampitohy azy amin'ny renivohitry ny district ( Anjozorobe)
Ahitana sekoly ambaratonga fototra izy toy ny E.P.P izay saika misy avokoa ny tanàna manodidina azy, ohatra Epp Ambakohasina Ahitana kolejy na C.E.G ao aminy.
Tsy mbola misy JIRAMA mamatsy rano sy Jiro ao fa plaque solaire sy rano tarihana avy any andoharano no fampiasan'ny olona.
Fitaterana
[hanova | hanova ny fango]Ny fitaovam-pitaterana tena ampiasaina matetika indrindra nohon'ny faharatsian'ny lalana dia ny fiarabe , izay maiantoka ny fitaterana vokatra
Raha ny vianavina amin'ny faharetan'ny dia mankany amin'ny renivohi-paritany dia eo ho eo amin'ny 3 ora eo.
Ny fotoam-pitaterana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny andro fahavaratra kosa dia 8 ora eo ho eo raha misy fiara ny fiara mitatitra, raha toa ka mandeha dia an-tongotra rehefa tsy misy fiara, na ihany koa mandeha taxi moto.
Ny lalan-tany dia azo aleha mandavan-taona. Ny saran-dalan'ny olona tokana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny andro fahavaratra dia 11000 Fmg. Ny saran-dalan'ny olona tokana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny haintany dia 11000 Fmg.
Fahasoavana
[hanova | hanova ny fango]25 isan-jaton'ny mponina no atao hoe mahantra. Ny halavan'ny vanim-potoana mety ahalanian'ny vokatry ny taon-dasa dia 3 volana. 25 isan-jaton'ny mponina no atao hoe manan-karena. 50 isan-jaton'ny mponina no manana fari-piainana antonontonony.
Endri-javatra
[hanova | hanova ny fango]Olana
[hanova | hanova ny fango]Misedra olana goavana ity kaomina ambanivohitra betatao ity : [1]
- Ny sehatra fandriam-pahalemana
- Ny lalana : ny faharatsin-dalana no tena olana goavana tsy ahafahan'iy kaominina ity mbola tena mandroso.[2]
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- ilo.cornell.edu - Statistika momba ny kaominina malagasy ary loharanom-pahaizana namoronana an'ity lahatsoratra ity.
- ↑ https://mapcarta.com/fr/14478370
- ↑ https://mapcarta.com/fr/14478370