Miantso
18°43′S 47°09′E / 18.717°S 47.150°E
Miantso
| |||
| Velarantany | 195 km2 | ||
| Isan'ny mponina | 13 000 | ||
| Tanàn-dehibe | NC | ||
| Ben'ny tanàna | NC | ||
| Firenena | |||
| Fanjakana | NC | ||
| Faritany | Antananarivo | ||
| Faritra | Analamanga | ||
| Tanàna mifanolo-bodirindrina | NC | ||
| Laharam-pehintany | 105 | ||
Miantso dia firaisam-pokotany malagasy ao amin'ny distrikan'i Ankazobe, Faritanin'i Antananarivo. Ny isam-poniny dia 13000 araka ny faminavinana natao tamin'ny taona 2000. Ny kaodin-kaominina dia 10423 ary ny kaodin-distrika dia 105
Vokatry ny fambolena sy fiompiana
[hanova | hanova ny fango]Mpamboly sy mpiompy ny mponina any.
Mamboly vary, voanjo, voanjobory, voatabia, haricot vert izy ireo. Manana fiaraha-miasa amin'ny orinasa Lecofruit ny mponina ka izay no afahan'ny mponina any mamboly haricot vert. Ny vokatry ny fambolena dia na varotana eo an-toerana na ahondrana makany Mahitsy.
Miompy omby sy kisoa ihany koa ny olona any. Ny omby natao ho mpanampy amin'ny asa fambolena ary ny kisoa ompiana ho sakafo.
Ara-tsosialy
[hanova | hanova ny fango]Ahitana fikambanan-tantsaha ao. Ahitana fikambanam-pampiasa rano ao.
Fotodrafitrasa
[hanova | hanova ny fango]
Ahitana tobim-pahasalamana ao. Misy sekoly ambaratonga fototra, kolejy ary lisea miankina amin'ny fanjakana ny tanana ary sekoly katoliaka iray. Maro ny fiangonana miorina ao toy ny Fiangonana Katolika, ny Fiangonana FJKM, ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, Apokalypsy, Vitao ny asan'ny fahamarinana...
Ijanon'ny taksiborosy maro ilay kaominina: taksiborosy mifarana eo Miantso, taksiborosy mandeha MArotampona, taksiborosy mandeha Firavahana ary ihany koa taksiborosy mandeha Fenoarivobe.
Tsy ny JIRAMA no manome ny rano fa loharano no ampiasain'ny mponina ao.
Fitaterana
[hanova | hanova ny fango]Ny fitaovam-pitaterana ampiasaina matetika indrindra dia fiara maivana base.
Ny faharetan'ny dia mankany amin'ny renivohi-paritany dia 3 ora. Ny fotoam-pitaterana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny andro fahavaratra dia arakaraky ny faharatsian'ny lalana. Ny lalan-tany dia main-tany ihany no azo aleha fa manano sarotra ny makany rehefa fahavaratra. Raha fahavaratra no makany dia tsaratsara kokoa ny manofa "taxi-moto". Ny saran-dalan'ny olona tokana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny andro fahavaratra dia 13 000 ariary. Ny saran-dalan'ny olona tokana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny haintany dia 10 000 ariary.
Endri-javatra
[hanova | hanova ny fango]Olana
[hanova | hanova ny fango]Ny isan'ny vono olona tanatin'ny taona 1999-2001 dia 1. Ao amin'ny atao hoe faritra mena ilay kaominina. Ny isan'ny vakitrano tanatin'ny taona 1999-2001 dia 5. Ahitana zandary ao amin'ilay kaominina.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- ilo.cornell.edu - Statistika momba ny kaominina malagasy ary loharanom-pahaizana namoronana an'ity lahatsoratra ity.
| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Miantso |