Ranomasimbe Indiana
Apparence
(tonga teto avy amin'ny Ranomasimbe Indianina)
Ny Ranomasimbe Indiana dia nantsoina hoe Ranomasimbe Atsinanana na Ranomasin' i India taloha. Manana velarana 75 000 000 km² izy ary voafaritr' i India sy i Pakistana ary Irana any avaratra; i Birmania, i Tailandy, i Malezia, i Indônezia ary i Aostralia any atsinanana; ny Ranomasimbe Antarktika any atsimo ary i Afrika sy ny Saikanosy Arabo any andrefana.
Ireo nosy ao amin' ny Ranomasimbe Indiana
[hanova | hanova ny fango]- ny nosy Madagasikara
- ny tamba-nosy Kômôro
- ireo nosy Seisely
- ny nosy La Réunion
- ny nosy Maorisy
- ny nosy Rodrigues (miankina amin' ny nosy Maorisy)
- ireo Nosy Miparitaka: Bassas da India, Europa, Glorieuses, Juan de Nova ary Tromelin
- Diego Garcia, tany anglisy aty amin' ny Ranomasimbe Indiana ao amin' ny tamba-nosy Chagos
- ireo nosy Maldiva
- i Sri Lanka
- ny tamba-nosy Andaman sy Nicobar, tanin' ny Union Indienne
- ny nosy Christmas, tanin' i Aostralia
- ireo nosy Cocos, tanin' i Aostralia
- ireo nosy indôneziana manaraka ny moron' ny nosy Somatra: Banyak, Simeulue, Nias, Mentawai, Enggano, sy ny moron' ny nosy Java: Deli, Tinjil, Kambangan, Sempu.
Ao koa ireo nosy izay ao anatin' ny Terres australes et antarctiques françaises:
- ny nosy Amsterdam sy ny nosy Saint-Paul,
- ny tamba-nosy Crozet,
- ny tamba-nosy Kerguelen (antsoina ihany koa hoe îles de la Désolation).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Ny ranomasimbe | ||||
Arktika |
Atlantika |
Antarktika |
Indianina |
Pasifika |