Nosy Europa

Avy amin'i Wikipedia
Ny Nosy Europa

Ny Nosy Europa na Nosy Ampela dia nosy kely aty amin' ny Ranomasimbe Indianina, latsaky ny 30 km2 ny velarantany, any amin' ny tapany atsimon' ny Lakandranon' i Môzambika. Isan' ireo Nosy Miparitaka izy. Ny Nosy Europa anefa dia takian' i Madagasikara. Isan'ny toerana lehibe maneran-tany fiterahan' ny sokatra maitso ny Nosy Europa. Izy io anefa dia nosy tsy mety ho an' ny olombelona tsatria sy misy rano madio, fonenan' ny andiana moka ary voahodidin' ny antsantsa maro dia maro.

Ny Nosy Europa dia any amin' ny 292 km akaiky indrindra ny morontsiraka malagasy ary 496 km miala ny morontsiraka afrikana. Ny nosy dia eo amin' ny tsipika izay mampifandray ny tanànan' i Toliara eto Madagasikara amin' ny an' i Beira any Môzambika.

Ireo Nosy Miparitaka

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]