Nosy Juan de Nova

Avy amin'i Wikipedia
Ny Nosy Juan de Nova jerena avy any amin' ny habakabaka
Ireo Nosy Miparitaka

Ny Nosy Juan de Nova na Nosy Kely dia nosy ao amin' ny Ranomasimbe Indiana, any amin' ny Lakandranon' i Môzambika, izay tany frantsay takian' i Madagasikara. Mandrakotra velaran-tany 4,8 km2, fisaka izy io ary voahodidin' ny haran-dranomasina lehibe. Tsy misy seranan-tsambo ny nosy, fa manana lalam-piaramanidina mirefy 1,2 km.

Ny Nosy Juan de Nova dia 140 km miala an' i Tambohorano, 207 km andrefana-atsimoa-andrefan' ny Tanjona Vilanandro ary 288 km miala ny morontsiraka afrikana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]