Sakafo malagasy

Ny sakafo malagasy[1] na ny laoka malagasy na ny nahandro malagasy dia fitambaran'ireo sakafo nentim-paharazana malagasy na izay sakafo rehetra mahazatra ny Malagasy[2] ankehitriny. Ny sakafo rehetra izay hoanina eto Madagasikara [3][4]dia maneho ny fomba fikarakarana ny sakafon' ny mpifindra monina avy any Azia Atsimo Atsinanana[5], avy atsy Afrika[6], avy any Ôseania[7], avy any India[8], avy any Sina[9] ary ny avy any Eorôpa[10], izay nanorim-ponenana teto amin' ny Nosy taorian' ny fahatongavan' ny tantsambo voalohany avy any Borneo[11], teo anelanelan' ny taona 100 sy 500 taona. J.K. Sivifolo isan-jaton'ny Malagasy no manao ny vary[12] ho foton-tsakafony[13], ary io no nambolen' ny mpiorim-ponenana voalohany teto Madagasikara, miaraka amin' ny zavamaniry fihinam-bodiny sy ny foto-tsakafo hafa nataon' ny mponina voalohany. Ny sakafon' izy ireo dia nampian' ny vokatry ny fiotazana voankazo sy vody zavamaniry[14] fihinana sy ny fihazana, izay nandray anjara amin' ny famongorana ny biby mampinono lehibe sy ny vorona lehibe teto amin' ny Nosy. Taty aoriana dia nanampy ireo loharanon-tsakafo ireo ny omby[15] izay nampidirin' ny mpifindra monina avy ao Afrika Atsinanana[16] izay tonga teto tany amin' ny taona 1000 tany ho any . J.K. Ny varotra nifanaovan' ny Malagasy amin' ny mpivarotra arabo[17] sy indiana [18]ary ny mpivarotra eorôpeana dia nampisy fiovana ny fomba fikarakarana sakafo teto amin' ny Nosy[19], tamin' ny fanampiana voankazo sy legioma ary zava-manitra vaovao.
Ny nahandro amin' izao fotoana izao, izay miely patrana eto amin' ny Nosy, dia mifototra amin' ny vary aroso miaraka amin' ny laoka ny ankamaroany. Ireo karazan-daoka ireo dia mety ho zavamaniry na zava-manan'aina an-tanety na an-dranomasina rehetra izay azo hoanina. Misy ihany koa ny karazan-tsakafo izay ahitàna prôteinina avy amin' ny biby. Eo ihany koa ny saosy manana tsiro miavaka izay nohatsaraina miaraka amin' ny akora fanatsarana nahandro toy ny sakamalao, ny tongolo, ny tongolo gasy, ny voatabia, ny lavanila, ny sira, ny karia, ampiasaina ihany koa ireo zava-manitra na ireo karazan' anana rehetra izay misy eto amin'ny Nosy. Any amin' ny faritra maina sasany any atsinanana sy atsimo ary andrefana, ny fianakaviana mpiompy dia mety manolo ny vary amin' ny ireo hanim-boroka toy ny katsaka, ny mangahazo na rononon' omby niotrika. Misy ihany koa ireo karazana mofo mamy matsiro ary sakafo an-dalambe hafa izay hita eto amin' ny Nosy, ao koa ny voankazo isan-karazany amin' ny toetany mafana sy antonony. Eo amin' ny lafiny zava-pisotro dia misy ny ranom-boankazo, ny kafe, ny tambavy ary ny dite, ary koa ny zava-pisotro misy alikaola toy ny toaka sy ny divay ary ny labiera izay samy vokarina eto an-toerana.
Ny karazan-tsakafo hanina eto Madagasikara amin' izao taonjato faha-21 izao dia manome fanazavana momba ny tantara tsy manam-paharoa sy ny fahasamihafan' ny mponina eto Madagasikara ankehitriny. Ny fisian' ny karazan-tsakafo malagasy samihafa dia miainga amin' ny sakafo tsotra nentim-paharazana nataon' ny mponina tonga voalohany ka hatramin' ny sakafo be pitsopitsony natao ho an' ny mpanjaka tamin' ny taonjato faha-19. Na dia mbola manjaka aza ny sakafo malagasy mahazatra, dia ny vary sy ny laoka, tao anatin' ny 100 taona lasa dia nanjary be mpanao ny karazana sy fangaron-tsakafo hafa nentin' ny Frantsay mpanjanaka sy ny Sinoa ary ny Karàna mpifindra monina eto Madagasikara. Noho izany, ny nahandro malagasy, na dia manaraka ny fomba fikarakarana nentim-paharazana aza, dia nisy fakana tahaka ny nahandron' ny olona niditra vao haingana kokoa ireo.
Hoy ny ohabolana malagasy hoe "Ny kibo tsy mba lamosina, ary ny tsinay tsy mba vatsy". Ka ireto misy karazana sakafo vitsivitsy, sakafo malagasy.
Ny sakafo efa vita
[hanova | hanova ny fango]- Vary amin' anana
- Mofo atody
- Trondro maina sy anamalao
- Ravintoto sy henan-kisoa
- Ravintoto sy voanio
- Bononòka
- Eendin' akoho na tonon' akoho
- ↑ https://mg.globalvoices.org/2024/01/16/167816/
- ↑ Malagasy (vahoaka)
- ↑ Madagasikara
- ↑ Madagasikara
- ↑ Azia Atsimo-Atsinanana
- ↑ Afrika
- ↑ Ôseania
- ↑ India
- ↑ Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina
- ↑ Eorôpa
- ↑ Bôrneô
- ↑ Vary
- ↑ Fantaro ireo sakafo Malagasy manana ny lazany · Global Voices teny Malagasy
- ↑ Zavamaniry
- ↑ Omby misy trafo
- ↑ Afrika Atsinanana
- ↑ Arabo (vahoaka)
- ↑ Indiana (vahoaka)
- ↑ Nosy