Hankany amin'ny vontoatiny

Tongologasy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tongolo gasy)
Tongolo gasy
Tongolo gasy sy hasiny

Ny tongologasy na tongololay na tongolo ejipta dia karazan-javamaniry ao amin' ny Allium. Maniry isan-taona, izay ny vodiny, izay manana fofona sy tsiro mahery, dia matetika ampiasaina amin' ny fandrahoan-tsakafo. Azo hanina koa ny vonin' ny tongolo gasy. Allium sativum ny anarany ara-tsiansa. Avy any Azia Afovoany izy io, ary heverina fa mety nampiasaina hatramin' ny 5 000 taona tany amin' ny faritra Mediteranea, indrindra tany Ejipta. Ankehitriny dia mbola be mpampiasa any amin' ny faritra maro izy io noho ny tsirony sy ny fampiasana azy amin' ny fitsaboana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]