Allium ampeloprasum var. porrum
Fiseho
(tonga teto avy amin'ny Tongoloherana)

Ny Allium ampeloprasum var. porrum dia karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Amaryllidaceae, maniry isan-taona, ambolena be dia be hahazoana raviny hatao anana. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe tongoloherana na tongolo fotsiny. Allium ampeloprasum var. porrum L. ny anarany ara-tsiansa feno. Taloha izy dia fantatra amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Allium porrum. Avy amin' ny fiambolena ny Allium ampeloprasum izy ary voafantina noho ny raviny.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Allium
- Tongololay na tongologasy (Allium sativum)
- Tongolobe (Allium cepa)
- Tongoloravina (Allium schoenoprasum)
- Tongolomadinika (Allium cepa var. aggregatum)
- Legioma
- Anana