Trondro maina sy anamalao

Avy amin'i Wikipedia

Marihina fa trondron-dranomamy no lazaiko eto (fony no tena tsara nefa mety daholo na tilapia aza)

Ho an'olona 4:

Makà trondro maina salasalany 4 na mihoatra, dia alomy kely anaty rano fotoana fohy, dia esory sy ario ny taolataonana. Tangosy ny anamalao (200 g farafaharatsiny) ary voniny 3 ihany farafahabetsaka no tazomina. Endaso ny tongolo oignon 1 sy voatabia 1, dia arotsay ao ny trondro maina voakarakara teo, afangaroy tsara dia alefaso ao koa ny anamalao. Afaka 2 minitra dia tampohy rano 1 litatra sy sasany, asio sira araka izay tianao. Saromy ary avelao angotraka 15 minitra, aroaroy matetika, dia arosoy anaty vilia jobo.

Tsara aroso miaraka amin'ny vary maina sy lasary voatabia, ary ranovola no zava-pisotro.