Anamalaho

Avy amin'i Wikipedia
Anamalaho

Ny anamalaho dia karazana zavamaniry ahitra ao amin' ny fianakaviana Asteraceae. Ity karazana zavamaniry ity dia ambolena amin' ny ankapobeny. Heverina fa avy any Amerika Atsimo (Brezila sy Peroa) izy io. Ny anarany ara-tsiansa dia Acmella oleracea, fa taloha dia Spilanthes oleracea. Misy amin' ny Malagasy ny manao azy hoe anamalao, kimalao, anamafana na kimotodoha.

Ampiasaina hanatsarana tsiron-tsakafo noho ny tsirony somary mafanafana ny anamalaho. Raha hanina maitso tsy andrahoina izy dia manome otrikaina C. Misy karazany maro ny anamalaho, ka anisan' izany ny anamalahobe, ny anamalahokely, ny anamalahombazaha ary ny anamalahonkova, anamalahovavy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]