Aller au contenu

Endin' akoho sy tonon' akoho

Avy amin'i Wikipedia
Fandrasana akoho

Ny endin' akoho sy tonon' akoho dia sakafo gasy vita amin' ny henan' akoho. Ny akora ilaina dia vainga-nofon' akoho. Mila saosy ihany koa izy io.

Akora ilaina

[hanova | hanova ny fango]

Ny akora ilaina dia vainga-nofon' akoho: feny sy elany ary nofo-tratrany. Marihina fa mitovy ihany ny fikarakarana ny akoho na endasina na atono fa ny tena zava-dehibe dia ny ho masaka tsara sy misy hanitra tsara ny akoho.

Mila saosy izy io ka ireto ny zavatra ilaina amin' izany:

Fikarakarana

[hanova | hanova ny fango]
  • Diovina tsara ny akoho ary dia atsika ny rano mba ho maina. Atao ao anaty fitantavanana ary fafàna amin' ny lamba madio ho tena maina.
  • Tetehina faran' izay madinika ny tongolo gasy, ny tongolo be, ny dità ary ny kotomila.
  • Atao anaty "bol" iray, rehefa avy eo dia arotsahy ao anaty "bol" koa ny vovoka voamanitra (muscade) sy ny siramamy na tantely. Avy eo dia arotsaka ihany koa ny akoho. Haroharoina tsara. Ny tena mety dia haroy amin' ny tanana madio ka somary tahaka ny manotra ihany. Avela hilona adiny iray farafahakeliny. Ny tsara indrindra dia alina iray mihitsy no faharetan' ny fandomana.
  • Rehefa vita izany rehetra izany dia azo atao amin' izay ny manendy sy mitono.

Tandremana tsy hafana be mihitsy ny afo. Atao malefadefaka mba ho masaka tsara hatrany anaty. Ny amin' ny atono, raha toa ka mafy loatra ny afo dia tondrahana ranon-tsira kely avy eo ambonin' ny akoho fa tsy ny afo. Iny rano iny manamasaka ny hena no manalefaka ny afo.

Mazotoa homana Tompoko !