Hankany amin'ny vontoatiny

Karaoty

Avy amin'i Wikipedia
Karaoty

Ny karaoty dia zavamaniry maniry indroa isan-taona, ao amin' ny fianakaviana Apiaceae (antsoina koa hoe Umbelliferae), ambolena be dia be noho ny nofony azo hanina, miloko volomboasary amin' ny ankapobeny, ampiasaina ho anana. Ny karaoty aorian' ny ovy, dia legioma fototra ambolena eto amin' izao tontolo izao. Faka be karôtenina izy io. Daucus carota subsp. sativus ny anarany ara-tsiansa. Miloko volomboasary mazàna, na dia misy ny volomparasy, ny mainty, ny mena, ny fotsy ary ny mavo aza, ny vodiny. Azo inoana fa avy tany Persia ilay zavamaniry ary nambolena tany am-boalohany hahazoana raviny sy voany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]