Prôteinina
Ny prôteinina dia môlekiola biôlôjika lehibe (makrômôlekiola) hita ao amin' ny selan' ny zavamananaina rehetra. Pôlimera ny prôteinina, miforona avy amin' ny rojo pôlipeptida iray na maromaro. Voaforona avy amin' ny fifandrohizan' ny sisa tavela amin' ny asidra misy aminina mifamatotra amin' ny alalan' ny fatorana peptida ny rojo tsirairay. Misahana anjara asa maro ao anatin' ny sela sy ny tambatsela ny prôteinina. Izy ireo dia prôteinina enzimatika (enzima) izay mampiakatra ny fihoto ara-tsimia amin' ny famoronanana sy ny fahasimbana ilaina amin' ny metabôlisman' ny sela. Misy koa prôteinina hafa izay mitana anjara toerana ara-drafitra ao anatin' ny selan' ny taolana na tambatsela (aktinina, kôlazenina), ny sasany dia môlekiola mpanetsika ahafahana mihetsiketsika (miôsinina), ny hafa koa dia mandray anjara amin' ny fanamafisana ny ADN (histônina), ny fandrindrana ny fanehoana ny fototarazo, ny metabôlisman' ny angovo na koa ny fampitana hafatra amin' ny sela. Singa manan-danja ny prôteinina ao amin' ny sakafom-biby, levona ao amin' ny taovam-pandevonan-kanina ny prôteinina ary trohin' ny tsinaikely ny asidra aminina mivoaka ary avy eo ampiasain' ny vatana.