Mofo atody
Apparence
Ny mofo atody dia sakafo malagasy izay mofo mifototra amin' ny lafarinina sy atody.
Zavatra ilaina sy fikarakarana azy
[hanova | hanova ny fango]Zavatra ilaina
[hanova | hanova ny fango]Ireto ny zavatra ilaina: atody 4, siramamy 8 sotro (c.à.soupe), tsongo-tsira 2, lafarinina 1/2kg, leviora 1 kitapo kely ho an' ny lafarinina 1/2 kg, ronono kely.
Fikarakarana
[hanova | hanova ny fango]Kapohina miaraka ny atody sy ny siramamy ary ny sira. Rehefa avy eo dia arotsaka ao ny lafarinina efa nafangaro mialoha tamin' ny leviora. Arotsaka amin' izay ny ronono kelikely fotsiny fa manjary matsora lotra ny paty. Endasina amin' izay, mila menaka betsabetsaka ilay izy, atao mafana be. Bataina aloha rehefa handrotsaka azy dia rehefa tafiditra daholo dia averina amin' ny fatana. Tandremana sao may.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Mofo atody Archived Septambra 28, 2007 at the Wayback Machine