Aller au contenu

Fiteny kazàka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kazakh language)
fiteny kazàka
қазақ тілі, қазақша
qazaq tili, qazaqşa

Isan'ny mpiteny 11,7 tapitrisa
Faritany  Kazakstàna,  Mongolia,  Rosia,  Sina (Xinjiang)
Sata Velona
Kaodim-piteny kk
Soratra abidy latina (ofisialy any Kazakstana), abidy sirilika (ofisialy any Kazakstana), abidy arabo (ofisialy any Sina)


Ny fiteny kazàka dia fiteny ao amin' ny vondron' ny fiteny torkika. Io no fiteny ôfisialin' i Kazakstàna miaraka amin' ny fiteny rosiana. Ny faritra mizaka tenan' i Xinjiang (any amin' ny Sina) no toerana hafa itenenana ny fiteny kazàka. Ny soratra ampiasaina anoratana ny fiteny kazàka dia ny abidy sirilika, ny abidy latina izay mitovitovy endrika amin' ny abidy latina ampiasain' ny fiteny tiorka, ary ny abidy arabo nasiam-panovana (izay ampiasaina any Sina, any Iràna, any Môngôlia ary any Afganistàna). Ao amin' ny abidy sirilika anoratana ny fiteny kazàka dia ahitana litera sivy fanampiny (Ә, Ғ, Қ, Ң, Ө, Ұ, Ү, Һ, І). Mitovy endrika amin' ny fiteny kirgizy ny fiteny kazàka.

Ny soratra ampiasaina amin' ny fanoratana ny fiteny kazàka dia ny abidy arabo voalohany indrindra; nampiasaina ny abidy latina manomboka ny taona 1927, ary ny abidy sirilika no nampiasaina manomboka ny taona 1940. Tamin' ny taona 2006, naneho ny finiavany ny hiverina mampiasa ny abidy latina ny filoha kazàka Nursultan Nazarbaiev, fa ôfisialy foana ny abidy sirilika[1].

Anidy sirilika kazàka

А а Ә ә Б б В в Г г Ғ ғ Д д Е е Ё ё
Ж ж З з И и Й й К к Қ қ Л л М м Н н
Ң ң О о Ө ө П п Р р С с Т т У у Ұ ұ
Ү ү Ф ф Х х Һ һ Ц ц Ч ч Ш ш Щ щ Ъ ъ
Ы ы І і Ь ь Э э Ю ю Я я

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.