Indô-eorôpeana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Indo-eoropeana)
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny indô-eorôpeana dia fitambaran' ny mponina sasany avy ao Eorôpa sy Azia: India, Anatôlia, Sina ary Iràna, ka mampiasa ny fiteny mifandraika amin' izany, dia ny fiteny indô-eorôpeana.

Ny fiteny indô-eorôpeana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny indô-eorôpeanina dia fianakaviam-piteny ivondronan' ny fiteny maro any Eorôpa sy any India ary any Iràna sy ny manodidina. Misy 1 000 eo ny isan'ny fiteny ao amin' io fianakaviam-piteny io. Fianakaviam-piteny tenenina maneran-tany ny maro amin' izy ireo, izay ahitana ny fiteny albaney, ny fiteny armeniana, ny vondrom-piteny balto-slava, keltika, jermanika, helenika, indô-iraniana, italika (isan'izany ireo fiteny rômana), ary vondrom-piteny maty roa, dia ny vondrom-piteny anatôliana (isan' izany ny fiteny hitita) sy ny vondrom-piteny tôkariana. Ireto ny vondrom-piteny lehibe ao:

Vahoaka indô-eorôpeana[hanova | hanova ny fango]

Vahoaka indô-iraniana[hanova | hanova ny fango]

Ny Indô-iraniana, izay atao hoe Ariana koa, dia vondrom-poko miteny indô-iraniana, ao amin' ireo faritra lehibe ao Eorazia. Isan' ireo vahoaka indô-iraniana lehibe ny Indô-ariana sy ireo vahoaka iraniana.

Ny Indô-ariana[hanova | hanova ny fango]

Ny Indô-ariana na Indiana dia vondrom-poko maro miteny amin' ny fiteny indô-ariana, izay zana-bondron' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Misy iray lavitrisa any ho any ny mpiteny indô-ariana, ka ny ankamaroany dia avy ao amin' ny zana-kontinenta indiana sady hita manerana an' i Azia Atsimo izay ahitana azy betsaka raha mitaha amin' ny vahoaka hafa.

Ny Iranianina[hanova | hanova ny fango]

Ny Iranianina dia vahoaka miteny persana, kiorda, tajiky, pastô, ôsetiana, balotsy, ary zazaky mipetraka any Azia Andrefana. 130 tapitrisa eo ho eo no isany manerana izao tontolo izao. Ireto ny vahoaka iraniana ankehitriny: ny Persàna (Aimaka, Farsioana, Hazara, Tajika, Taty, Ajamo), ny Pastona (Dorany, Gilzay), ny Korda (Kormajy, Sôrana, Lôra, Laka, Sekbizina), ny Balotsy, ny Mazandarany, ny Gilany, ny Pamiry (Sarikôly, Oaky, Tajikin' i Sina, Sogny), ny Talisy, ny Osetiana (Iasa), ny Iagnoby, ny Parsỳ, ny Iranỳ, ny Zaza ary ny Gôrana.