Fiteny italika

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Vondrom-piteny italika)

Ny fiteny italika dia vondrom-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana izay mizara ho sampana roa, dia ireo fiteny latinô-faliska (na fiteny latiniana) sy ireo fiteny ôskô-ômbriana (na fiteny sabelika). Matetika mifandray amin' ny fiteny italika ny fiteny venetiana sy ny fiteny sikola na sikoliana. Ny fiteny italika dia nahazo io anarany io avy amin' ny anaran' ny faritra nitenenana azy ireo: i Italia. Ny vahoaka miteny ireo fiteny ireo dia antsoina hoe Italika.

Ny fiteny italika manan-danja indrindra ara-tantara dia ny fiteny latina, izay fiteny tao Latiôma sy tao Rôma taloha izay lasa fiteny tao amin' ny Empira Rômana, ary ny fivoarany no niteraka ny vondrom-piteny rômana. Vasolon' ny fiteny latina ny fiteny italika hafa rehetra ka lany tamingana tsy namela taranaka ankehitriny.

Sampana[hanova | hanova ny fango]

Fiteny latinô-faliska[hanova | hanova ny fango]

Ireto ireo fiteny latiniana na latinô-faliska: ny fiteny latina, ny fiteny faliska, ireo fiteny rômana (fiteny sarda, fiteny romaniana, fiteny dalmatika, fiteny italiana, fiteny espaniola, fiteny ladino, fiteny pôrtogey, fiteny frantsay, fiteny ôksitana, fiteny katalana, fiteny rômantsa, fiteny ladîna, fiteny friôlana), sns.

Fiteny ôskô-ômbriana[hanova | hanova ny fango]

Ireto ireo fiteny ôskô-ômbriana (na fiteny sabelika), izay ahitana fiteny tsy misy mampiasa intsony, dia: ny fiteny ôska (fiteny tany amin' ny faritra atsimo-afovoan' ny Saikanosy Italiana) sy ny fiteny ômbriana ary ny fiteny maro hafa koa toy ny fiteny samnita, ny fiteny marsa, ny fiteny marokina, ny fiteny peligniana, ny fiteny vestiniana, ny fiteny sabina, ny fiteny ekiana, ny fiteny vôlska, ny fiteny pikena atsimo, ny fiteny lokaniana.

Fiteny hafa[hanova | hanova ny fango]

Voasokajy ao anatin' ny fiteny italika koa ny fiteny venetiana na fiteny veneta sy ny fiteny sikoliana na fiteny sikola.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny indô-eorôpeana