Fiteny portogey
Ny fiteny portogey dia fiteny ao amin'ny ratsana rômana ny vondrom-piteny indô-eoropeana. Ny mpiteny portogey dia tenenina hoe liozôfôna. Ny fiteny portogey dia maka ny toerana fahaenina raha isaina ny isan'ny olona manana io teny io tenim-pirenena nahabe. Io teny io no teny voalohany indrindra teneninaa ny Amerika Atsimo (51%), ary noho izany, fiteny miasa indrindra any amin'ny Ila-bolantany atsimo. Any Afrika, izy io dia linga franca manan-danja anatin'ny zanatany portogey taloha.
Io fiteny io dia tenenina any Brazila, any Portogaly, ay Madera sy any Asaora, any Angola, any Mozambika, any Cap-Vert, any Ginea-Bissau, any Ginea Ekoatorialy, any São Tomé-et-Principe, any Timaoro Atsinanana, any Goa (India), any Daman sy any Diu (India) ary any Macao (Sina).