Fiteny ladinô

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny ladino)

Ny fiteny ladinô na fiteny jodeô-espaniôla dia fiteny avy amin' ny fifangaroan' ny fiteny kastilàna tranainy (ny fiteny espaniôla) sy ny fiteny hebreo. Maro ny Jiosy sefarada taranaky ny Jiosy voaroaka avy any Espaina tamin' ny taona 1492 izay miteny ladinô ao amin' ny faritra midadasika amin' ny tany lemaka manodididina ny Ranomasina Mediteranea. Ny fiteny jodeô-espaniôla dia tsy tokony hafangaro amin' ny fiteny jodeô-katalàna mifanakaiky aminy, ary ny hoe fiteny ladinô dia tsy tokony hafangaro amin' ny fiteny ladîna, izay fiteny retô-rômana tenenin' ny olona ao amin' ny Dolomita italiana.