Mazandarany (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Mazandarany na Mazendarany izay atao hoe Tabary na Mazany koa, dia vahoaka iraniana tompontany monina ao amin' ny faritr' i Kaspiana any Iràna. Ao amin' ny morontsiraka atsimon' ny Ranomasina Kaspiana no onenan' izy ireo, ao amin' ny faritra anisan' ny manan-tantara antsoina hoe Tabaristan. Ny tendrombohitra Alborz dia sisin-tany atsimo amin' ny faritra onenan' ny Mazanderany.

Atao hoe مازرونیون / Mazanderani na طبریون / Mazanderani na تپورون‎ / Tabari izy ireo amin' ny fiteny mazandarany.

Vahoaka[hanova | hanova ny fango]

Ny isan' ny Mazanderany dia eo anelanelan' ny telo sy efatra tapitrisa (tombanana tamin' ny taona 2006). Miisa 4 480 000 izy ireo tamin' ny taona 2019. Ny silamo siista no fivavahan' ny maro amin' izy ireo.

Ny Mazandarany dia manana fiaviana amin' ny Tabary (Tabari), ary miteny ny fiteny tabary na mazendrarany. Ny fiaviany dia niverina tany amin' ny Tapory (Tapuri)[1] sy ny Amardy (Amardi)[2]. Ny tanin' izy ireo dia nantsoina hoe Tapuria na Tapurestan, tanin' ny Tapory. Ny ankamaroan' ny Mazanderany dia monina any amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanan' ny Ranomasina Kaspiana.

Monina amin' ny morontsiraka sy amin' ny tapany amin' ny faritra natsoina hoe Tabaristana izy ireo. Ny tendrombohitra Alborz no efi-tany atsimon' ny Mazandarany. Manaraka ny fivavahana silamo siita ny ankamaroan' izy ireo. Ny miompy sy ny manjono no anton-draharahan' ny ankamaroan' izy ireo. Manam-pifandraisana akaiky amin' ny Gilaky sy amin' ny vahoaka kaokaziana (Jeôrjiana sy Armeniana ary Azerbaijany) ny Mazandarany.

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny mazandarany, izay atao hoe fiteny mazany na tabary na geleky, dia fiteny ao amin' ny fianakaviana indô-eorôpeana, ao amin' ny sampana indô-iraniana, ao amin' ny zana-tsampana iraniana avaratra-andrefana, tetenina ao Iràna ao amin' ny faritanin' i Mazanderan. Mitovitovy amin' ny fiteny gilaky ny fiteny mazandarany, indrindra raha ny voambolana no heverina. Nisy 3 000 000 eo ho eo ny mpiteny mazandarany manao azy ho fiteny nibeazana tamin' ny taona 1993.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Ny Tapory (Tapuri) dia foko ao amin' ny Mediana nonina tao atsimon' ny Ranomasina Kaspiana noresahin' i Ptôlemeo sy Arrian. I Ctesias dia manondro ny tanin' ny Tapory eo anelanelan' ny tany roa Cadusii sy Hyrcania.
  2. Ny Amardiana na Amardy na Mardy dia foko iraniana tamin'ny Andro Taloha nonina manamorona ny faritra be tendrombohitra manamorona ny Ranomasina Kaspiana any avaratra, izay heverina fa nanana ny kolontsain' ny Andron' ny Vy tao Marlik.