Mazandaran

Avy amin'i Wikipedia
Faritanin' i Mazanderan any Iràna

I Mazandaran na Mazendaran (amin' ny fiteny persiana: مازندران, Māzandarān, taloha nantsoina hoe Tabaristan), dia faritany any Iràna, voafaritry ny Ranomasina Kaspiana ao avaratra. Ny faritanin' i Mazandaran dia tao amin' ny faritanin' i Hyrcania tamin' ny andron' ny Empira Persiana. I Sari no renivohiny. Taloha, hatramin' ny taona 1977, dia tao amin' io faritany io i Golestan. Manana velarana mirefy 23 833 km2 izy. Ireto avy ny departemanta ao amin' io faritany io: Amol, Babol, Babolsar, Behchahr, Tonekabon, Tchalous, Ramsar, Savad Kuh, Qaem-Shahr, Mahmud Abad, Neka, Nur et Nowshahr.

Ny Ranomasina Kaspiana dia ao avarany, ny faritanin' i Teheran sy Semnan dia ao atsimony. Ao andrafany no misy ny faritanin' i Guilan ary ao atsinanana i Golestan.

Ataon' ny Arabo hoe Tabaristan (Tapurstan ao amin' ireo vola persiana). Ny anarana hoe Mazandaran dia niseho tamin' ny andron' ny Seljokida.

Misy ny mpahay jeôgrafia manavaka an' i Mazandaran amin' i Tabaristan, ka milaza fa i Mazandaran dia ahitana an' i Gorgan, i Amol, i Sari ao amin' ny tany lemaka amorontsiraky ny Ranomasina Kaspiane, fa i Tabaristan kosa ahitana ireo faritra be tendrombohitra ao atsimon' ity tany lemaka ity, misy ny tanànan' i Semna, sy Firuzkuh ary i Damavand.

Tamin' ny taona 1996 ity faritany ity dia nisy mponina miisa 2,6 tapitrisa any ho any, ka ny ankamaroany dia miteny mazandarany (na mazandaraney), izay fiteny iraniana tsy mitovy amin' ny fiteny persiana. Ny fiteny mazandarany (na fiteny tabary) dia sampana ao avaratra-andrefana amin' ny fianakaviam-piteny iraniana, izay tsy dia niharan' ireo fitenin' ny sivilizasiona nandresy an' ilay faritra (isan' izany ny fiteny persana, ny fiteny môngôly, ny fiteny arabo, ny fiteny tatara). Mbola be mpiteny ao amin' io farotra io ity fiteny ity.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]