Hormozgan

Avy amin'i Wikipedia
Hormozgan

I Hormozgan (persana: هرمزگان / Hormozgân) dia iray amin' ny faritany iraika amby telopolo ao Iràna. Any atsimo amin' ilay firenena no misy azy, manoloana an' i Ômana. Ny  velarany dia 68 475 km2, ary ny renivohiny dia i Bandar Abbas. Ity faritany ity dia manana nosy efatra ambin' ny folo ao amin' ny Hoala Persika ary manana morontsiraka mirefy 1 000 km.

Misy tanàna lehibe valo ilay faritany: i Bandar Abbas, i Bandar Lengueh, i Minab, i Bandar Charak, i Jask, i Bastak, i Bandar Khamir ary i Fin. Ity faritany ity dia misy departemanta iraika amby roapolo sy kaominina sivy amby enimpolo ary tanàna 2 046. Tamin' ny taona 1996 dia nahatratra 1,1 tapitrisa ny mponina tao amin' ilay faritany.