Aller au contenu

Faritanin' i Kurdistan (Iràna)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Faritanin' i Kurdistan Iranianina)
Faritanin' i Kurdistan

Ny Faritanin' i Kurdistan (amin' ny teny persiana: استان کردستان / Ostan-e Kordestan; amin' ny teny kiorda: parêzgey Kurdistan) dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna, tsy afangaro amin' ny faritra lehibe kokoa amin' i Kordistana Iraniana. Ny renivohiny dia i Sanandaj.

Ny velaran' ilay faritany dia 28 817 km2, izay ampahavalon' ny faritra misy Kiorda ao Iràna (Kordistan Iraniana). Ao amin' ny tapany andrefan' i Iràna no misy ilay faritany ary voahodidin' i Iràka any andrefana, ny Faritanin' i Azerbaijan Andrefana any avaratra, ny Faritanin' i Zanjan any avaratra-atsinanana, ary ny Faritanin' i Kermanshah ao atsimo. Ny tanàna lehibe ao amin' ilay faritany dia: i Marivan, i Baneh, i Saqqez, i Qorveh, i Bijar, i Kamyaran ary i Diwandarreh.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]