Aller au contenu

Faritanin' i Golestan

Avy amin'i Wikipedia
Ny Faritanin' i Golestan

Ny Faritanin' i Golestan (persiana: گلستان / Golestân) dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna, ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' ilay firenena. Ny renivohiny dia i Gorgan, izay nantsoina taloha hoe Esterabad hatramin'ny 1937. Nisaraka tamin' ny Faritanin' i Mazandaran i Golestan tamin' ny taona 1997.

I Golestan dia manana velarana 20 367 km2, manamorona ny sisintany amin' i Torkmenistana. Manamorona ny Faritanin' i Khorasan Avaratra any atsinanana, ny Faritanin' i Semnan any atsimo ary ny Faritanin' i Mazandéran any atsimo-andrefana, ary manana morontsiraka eo amin' ny Ranomasina Kaspiana any andrefana. Ny isan' ny mponina tao dia 1,7 tapitrisa tamin' ny taona 2005.

Ity faritany dia natambatra amin' ny Faritra 1 tamin' ny fizarana ny faritany ao Irana ho faritra 5, natao ho an' ny fandrindrana sy fampandrosoana fotsiny, tamin' ny 22 Jona 2014. Mozilmana sonita ny ankamaroan' ny mponina ao aminy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]