Aller au contenu

Faritanin' i Kermanshah

Avy amin'i Wikipedia
Ny Faritanin' i Kermanshah

Ny Faritanin' i Kermanshah (Kirmaşan amin' ny teny kiorda , كرمانشاه amin' ny teny persiana) dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Any amin' ny tapany andrefan' ilay firenena no misy azy, eo amin’ ny sisin-tanin’ i Iràka. Teo anelanelan' ny taona 1969 sy 1986 dia nantsoina hoe Kermanshahan izy. Avy eo, nanomboka tamin' ny 1986 ka hatramin' ny 1995, tamin' ny anarana hoe Bakhtaran. I Kermanshah renivohiny (34°18′ N, 47°04′ E) dia ao amin' ny faritra afovoany andrefan' i Iràna. Ny isan' ny mponiny dia 690 000. Eo amin’ ny tehezan’ny tendrombohitra Kooh-e Sefid no misy an’ ilay tanàna, izay tampona malaza indrindra ao amin’ ny faritr’ i Kermanshah. Maherin’ ny 10 km ny halavan’ ilay tanàna, manaraka ny Reniranon' i Sarab sy ny lohasaha mitovy anarana aminy. Ny haavo misy an'ilay tanàna miohatra amin' ny haavon-dranomasina dia 1 420 m.

Ny elanelana misy eo amin' i Kermanshah sy i Teherān dia 525 km. Foiben' ny varotra ao amin' ny faritra mamokatra voamadinika, vary, anana sy voamaina, voankazo, menaka zavamairy, ary indostria maro toy ny fanadiovana solitany sy siramamy, lafarinina, simenitra, lamba, sns. Any avaratra-atsinanan' ilay tanàna no misy ny seranam-piaramanidina ary 413 km ny halavirana mahitsy raha mankany Teheran.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]