Aller au contenu

Faritanin' i Qazvin

Avy amin'i Wikipedia
Ny faritanin' i Qazvin

Ny Faritanin' i Qazvin dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Any amin' ny tapany avaratra-andrefan' ilay firenena no misy azy, ary i Qazvin no renivohiny. Ity faritany ity dia noforonina tamin' ny taona 1996 tamin' ny fanasarahana ny ampahany amin' ny Faritanin' i Zanjan. Ity faritany ity dia manana tanàna lehibe 20: Qazvin, Takestan, Abyek, Booin Zahra, Eqhbalieh, Mohammadieh, Alvand, Isfarvadin, Mahmood Abad Nemooneh, Khoram Dasht, Zia Abad, Abhar, Avaj, Shal, Danesfahan, Abgarm, Ardagh, Moallem Kelayeh, Razmi Kelayeh. Kuhin, Bidestan ary Ziaran amin' ny endrika departemanta efatra misy fizaràna 18, distrika ambanivohitra 44 ary vohitra 1 542.

Mihoatra ny iray tapitrisa ny mponina ao amin' ilay faritany tamin' ny taona 2003, ka ny 62 % amin' ireo dia mipetraka an-tanàn-dehibe ary ny 38 % any ambanivohitra. Ny tahan' ny lahy sy ny vavy dia 50,7 % ny lehilahy fa 49,3 % ny vehivavy. Mozilmana ny 99,6 %-n' ny mponina ao amin' ilay faritany ary manaraka fivavahana hafa ny 0,4 % sisa. 82 % ny tahan' ny mahay mamaky teny sy manoratra, ka mahatonga io faritany io ho faha-7 ambony indrindra ao Iràna.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]