Aller au contenu

Faritanin' i Kerman

Avy amin'i Wikipedia
Ny Faritanin' i Kerman

Ny Faritanin' i Kerman dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' ilay firenena no misy azy. Ny faritanin' i Kerman no lehibe indrindra ao amin' ity firenena ity, izay manana velarana 181 714 km2. Ny renivohiny dia i Kerman. Manodidina ny 2 tapitrisa eo ny isan' ny mponina ao amin' ilay faritany. Ny tanàna lehibe ao aminy dia: i Baft, i Bardsir, i Bam, i Jiroft, i Rafsanjan, i Zarand, i Sirjan, i Shahr-e-Babak, i Kerman, i Mahan ary i Kahnuj.

Tamin' ny tapna 1996, ny 52,9 % n' ny mponina no nipetraka any an-tanàn-dehibe ary 46 % any ambanivohitra. Ny 1,1 % ambiny kosa dia voaisa ho tsy mponina maharitra. Ny tanànan' i Kerman, izay tanàna lehibe indrindra sy mandroso indrindra ao amin' ilay faritany, dia ahitana ny 80 % (400 000 mponina) amin' ny mponina an-tanàn-dehibe.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]