Departemanta

Ny departemanta dia fizarana ny tanim-pirenena ao amin'ny firenena iray. Ireo firenena izay mampiasa ny teny hoe departemanta amin'izao fotoana dia na zana-tany frantsay taloha (Bénin, Burkina Faso, Côte d'Ivoire, Haïti...) na firenena any Amerika Latina (Arjantina, Bolivia, Kolombia, Goatemala, Hondorasy...).
Ny departemanta koa dia fizarana ara-ministeran'ny governemanta iray. Araka izany :
- Any Etazonia dia ahitana ny fandrindrana federaly (Governemanta), voazara ho "U.S. Department manana "U.S. secretary ho tale (sekretera federaly).
Ny departemanta any Frantsa[hanova | hanova ny fango]
Ny departemanta any Frantsa dia ny fizarana faharoa aorian'ny Faritra sy ny firenena manontolo. Sahala ny distrika any Madagasikara ny departemanta ao Frantsa, saingy izy ireo tsy mitondra ny anaran'ny renivohi-distrika fa anaraha hafa mihitsy, matetika avy amin'ny ony malaza ao amin'ilay departemanta.