Hankany amin'ny vontoatiny

Bandar Abbas

Avy amin'i Wikipedia

27°11′11″N 56°16′51″E / 27.186500°N 56.280800°E / 27.186500; 56.280800

Bandar Abbas
VelarantanyNC
Isan'ny mponina352 173
Tanàn-dehibeNC
Ben'ny tanànaNC
Firenena Iran
FanjakanaNC
FaritanyHormozgan
FaritraNC
Tanàna mifanolo-bodirindrinaNC
Bandar Abbas

I Bandar Abbas na Bandar-e 'Abbās (persana: بندر عباس , midika hoe "Seranan' i Abbas"), dia tanàna sady seranan-tsambo ary renivohitry ny Faritanin' i Hormozgān any amin' ny morontsiraka atsimo amin' i Iràna, eo amin' ny Hoala Persika. Ity tanàna ity dia manana toerana stratejika eo amin' ny andilan' i Hormuz (eo ampitan' ny Governoratan’ i Musandam, ao Ômana), ary io no toerana misy ny toby lehiben' ny tafika an-dranomasina iraniana. I Bandar Abbas ihany koa no renivohitra sy tanàna lehibe indrindra ao amin' ny kôntean’ i Bandar Abbas. Ny isan’ ny mpona ao aminy dia 526 648 araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2016.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

I Bandar Abbas dia miorina eo amin' ny andilan' i Hormuz eo amin' ny sisin' ny Hoala Persika, tandrify ny andilan' i Clarence izay manasaraka azy amin' ny nosy lehibe Qeshm amin' ny alalan’ ny ala honko voajanahary antsoina hoe Alan' i Hara, ary koa manasaraka azy amin' ny nosy roa Hormoz (na Ormuz) sy Larak. Na dia eo aza ny tsy fisian' ny seranana voajanahary, ny toerana misy azy dia tena tsara ho an' ny fifanakalozana an-dranomasina eo amin' i Iràna sy ny firenena hafa.

Mafana sy mando ny toetanin' i Bandar Abbas sy ny faritra manodidna azy. Ny maripana amin’ ny ririnina dia miovaova eo anelanelan’ ny 25 °C sy 28 °C ary ny maripana dia 49 °C amin’ ny fahavaratra. Ny sala-ndrotsk’ orana isan-taona dia 251 mm ary ny hamandoana dia 66 %.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Iràna ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.