Honko
Fiseho
Ny honko dia hazobotry na hazo maniry ao anaty rano masira amoron-tsiraka na rano marikivy. Ireto ny karazan-javamaniry atao hoe "honko": Rhizophora mucronata Lam. (ao amin' ny fianakaviana Rhizophoraceae) sy Avicennia marina (Forssk.) Vierh. (ao amin' ny fianakaviana Acanthaceae).
Atao hoe "ala honko" ny fitambaran' ny zavamaniry amorontsiraka trôpikaly ahitana karazana toy izany. Ny ala honko dia miseho eran-tany any amin' ny tany mafana sy any amin'ny faritra ambanin' ny trôpika, eny fa na dia any amin' ny morontsiraka manana toetany antonony aza, indrindra eo anelanelan' ny fehintany 30° Avaratra sy 30° Atsimo, ary ny faritra misy honko lehibe indrindra ao anatin' ny 5° amin' ny ekoatera.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Tangena (zavamaniry)
- Honkofotsy (Avicennia marina)
- Honko tanga (Rhizophora mucronata)
- Honkolahy Ceriops boiviniana
- Zavamaniry mety ao anatin' ny antsoina amin' ny teny frantsay hoe "palétuviers":
- Amanoa caribaea (fianakaviana Phyllanthaceae)
- Avicennia germinans (fianakaviana Verbenaceae na Acanthaceae)
- Avicennia marina (fianakaviana Verbenaceae na Acanthaceae)
- Avicennia officinalis (fianakaviana Verbenaceae na Acanthaceae)
- Avicennia schaueriana (fianakaviana Verbenaceae na Acanthaceae)
- Bruguiera gymnorhiza (fianakaviana Rhizophoraceae)
- Clusia mangle (fianakaviana Clusiaceae)
- Conocarpus erectus (fianakaviana Combretaceae)
- Crossostylis grandiflora (fianakaviana Euphorbiaceae)
- Excoecaria agallocha (fianakaviana Euphorbiaceae)
- Laguncularia racemosa (fianakaviana Combretaceae)
- Pterocarpus officinalis (fianakaviana Fabaceae)
- Rhizophora mangle (fianakaviana Rhizophoraceae)
- Rhizophora stylosa (fianakaviana Rhizophoraceae)
- Sonneratia alba (fianakaviana Lythraceae)
- Symphonia globulifera (fianakaviana Clusiaceae)
- Tovomita plumieri (fianakaviana Clusiaceae)
- Uapaca guineensis (fianakaviana Phyllanthaceae)