Zaza (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Zaza izay atao hoe Kirda na Kirmanka na Dimily, dia vahoaka iraniana miteny zazaky, izay isan' ny fiteny iraniana, monina ao amin'ny tapany afovoany-atsinanan' i Torkia. Ny tany tena onenan' izy ireo dia ao amin' ny faritanin' i Tunceli sy ny faritanin' i Bingöl sy ao amin' ny ampahan' ny faritanin' i Elazığ sy Erzincan ary Diyarbakır. Amin' ny ankapobeny dia manao ny tenan' izy ireo ho Korda ny vahoaka zaza, ka matetika atao hoe Korda zaza. Tsy fantatra marina ny isan'ny Zaza. Tamin'ny taona 2005 dia tombanana eo anelanelan'ny 2 000 000 sy 4 000 000 ny isan' ny mponina miteny zazaky. Manodidina ny antsaky ny Zaza no manaraka ny alevisma, fa ny antsasany faharoa losa dia Miozolmana sonita. Taloha dia nisy ihany ny Zaza kristiana tao Gerger.

Misy zanaka am-pielezana zaza ny any Alemaina, ny any Aotrisy, ny any Soisa, ny any Belzika, ny any Frantsa, ny any Nederlandy, ny any Soeda ary ny any Danemarka, ka mitotaly 300 000 any ho any izy ireo ao Eorôpa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]