Aller au contenu

Lôry (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Lôra (vahoaka))

Ny Lôry na Lôra na Lory na Lora dia vahoaka iraniana mifandray akaiky dia akaiky amin' ny Persana, monina ao amin' ny faritra andrafana be tendrombohitra any Iràna. Hita betsaka ao amin' ny tapany avaratra amin' ny faritanin' i Khuzistan izy ireo, fa ao amin' ny faritanin i Ilam kosa dia ny faritra atsimo no onenan' izy ireo.

Talohan' ny taonjato faha-20, ny ankamaroan' ny Lôry dia mpiompy mifindrafindra toerana, fa tandrenivohitra vitsy anisa kosa izy ireo ao amin' ny tanànan' i Khorramabad. Maro ny ezaka nataon' ny Pahlavi (tarana-mpanjaka) nanerena ny Lôry hanjary vahoaka miorim-ponenana. Tamin' ny andron' i Reza Shah dia tsy nahitam-pahombiazana izany ezaka izany.

Ny mpanjaka (shah) tao Iràna atao hoe Mohammad Reza, izay nampiasa fomba malefaka kokoa sy famporisihana ara-toekarena no nahita fahombiazana kokoa, nefa tsy ny Lôry rehetra no nananiky an' izany. Teo antenatenan' ny taompolo 1980 dia nonina an-tanan-dehibe sy tanàna madinika ao amin' ilay faritany, na nifindra monina any afovoan' ny tanàna lehibe maro ny ankamaroan' ny Lôry.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]