Shah

Avy amin'i Wikipedia
Mohammad Reza Pahlavi, Shahanshah ao Iràna tamin' ny taona 1941 ka hatramin' ny 1979, no mpitondra farany nihazona ny anaram-boninahitra shah.

Ny shah dia anaram-boninahitry ny mpanjaka izay nampiasain' ny olo-malaza tao amin' ny fanjakana iraniana teo amin' ny tantara. Nampiasain' ny fiarahamonina persiana isan-karazany koa izy io, toy ny Empira Ôtômana, ny Kanata Kazàka, ny Kanatan' i Bukhara, ny Emiratan' i Bukhara, ny Empira Mogaly, ny Soltanatan' i Bengal, ny tarana-mpanjaka afgana ara-tantara, ary teo anivon' ny Gurkha. Amin' ny fiteny persana izany dia atao hoe شاه, / Šāh, izay midika ara-bakiteny hoe "mpanjaka".

Tsy nihevitra ny tenany ho toy ny mpanjakan’ny tarana-mpanjaka nifaninana fotsiny (izany hoe toa ny fitondrà-mpanjaka eorôpeana) ny mpitondra iraniana tsirairay, fa nihevitra ny tenany ho شاهنشاه / Šâhanšâh (Shahanshah), izay midika hoe "Mpanjakan' ny mpanjaka", na پادشاه / Pâdešâh (Padishah), izay midika hoe "Mpanjaka Tompo", amin' ny hevitra manambara ny fanohizan' ny Empira Persiana tany am-boalohany.