Indô-ariana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Indô-ariana na Indiana dia vondrom-poko maro miteny amin' ny fiteny indô-ariana, izay zana-bondron' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Misy iray lavitrisa any ho any ny mpiteny indô-ariana, ka ny ankamaroany dia avy ao amin' ny zana-kontinenta indiana sady hita manerana an' i Azia Atsimo izay ahitana azy betsaka raha mitaha amin' ny vahoaka hafa.

Ny fiteny indô-ariana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny indô-ariana dia ireo fiteny mamorona sampana iray ao amin' ireo fiteny indô-iraniana, izay ao anatin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Ao Azia Atsimo no tena ahitana olona maro miteny azy ireo: ao amin' ny roa ampahatelo avaratr' i India, ao Pakistàna, ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Afganistàna, ao Bangladesa, ao Nepaly, ao Srilanka ary ao Maldiva. Ny mpiteny indo-ariana dia 1 500 000 000 any ho any. Ny tena maro mpiteny dia ny fiteny hindostany (fiteny hindy sy fiteny ordo: olona miisa 240 000 000 any ho any), ny fiteny bengaly (olona 230 000 000 any ho any), ny fiteny penjaby (olona 90 000 000 any ho any), ny fiteny maraty (olona 70 000 000 any ho any), ny fiteny gojaraty (olona 45 000 000 any ho any), ny fiteny orià (olona 30 000 000 any ho any), ny fiteny sindy (olona 20 000 000 any ho any), ny fiteny nepaley (olona 14 000 000 any ho any), ny fiteny singaley (olona 16 000 000 any ho any), ny fiteny seraiky (olona 14 000 000 any ho any), ary ny fiteny asamey (olona 13 000 000 any ho any).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]