Fiteny kazàka
fiteny kazàka қазақ тілі, қазақша qazaq tili, qazaqşa | |
Isan'ny mpiteny | 11,7 tapitrisa |
Faritany | Kazakstàna, Mongolia, Rosia, Sina (Xinjiang) |
Sata | Velona |
Kaodim-piteny | kk |
Soratra | abidy latina (ofisialy any Kazakstana), abidy sirilika (ofisialy any Kazakstana), abidy arabo (ofisialy any Sina) |
Ny fiteny kazàka dia fiteny ao amin' ny vondron' ny fiteny torkika. Io no fiteny ôfisialin' i Kazakstàna miaraka amin' ny fiteny rosiana. Ny faritra mizaka tenan' i Xinjiang (any amin' ny Sina) no toerana hafa itenenana ny fiteny kazàka. Ny soratra ampiasaina anoratana ny fiteny kazàka dia ny abidy sirilika, ny abidy latina izay mitovitovy endrika amin' ny abidy latina ampiasain' ny fiteny tiorka, ary ny abidy arabo nasiam-panovana (izay ampiasaina any Sina, any Iràna, any Môngôlia ary any Afganistàna). Ao amin' ny abidy sirilika anoratana ny fiteny kazàka dia ahitana litera sivy fanampiny (Ә, Ғ, Қ, Ң, Ө, Ұ, Ү, Һ, І). Mitovy endrika amin' ny fiteny kirgizy ny fiteny kazàka.
Soratra
[hanova | hanova ny fango]Ny soratra ampiasaina amin' ny fanoratana ny fiteny kazàka dia ny abidy arabo voalohany indrindra; nampiasaina ny abidy latina manomboka ny taona 1927, ary ny abidy sirilika no nampiasaina manomboka ny taona 1940. Tamin' ny taona 2006, naneho ny finiavany ny hiverina mampiasa ny abidy latina ny filoha kazàka Nursultan Nazarbaiev, fa ôfisialy foana ny abidy sirilika[1].
Anidy sirilika kazàka
А а | Ә ә | Б б | В в | Г г | Ғ ғ | Д д | Е е | Ё ё |
Ж ж | З з | И и | Й й | К к | Қ қ | Л л | М м | Н н |
Ң ң | О о | Ө ө | П п | Р р | С с | Т т | У у | Ұ ұ |
Ү ү | Ф ф | Х х | Һ һ | Ц ц | Ч ч | Ш ш | Щ щ | Ъ ъ |
Ы ы | І і | Ь ь | Э э | Ю ю | Я я |
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Vahoka torkika sasany: Azery - Baskira - Gagaoza - Iakoty - Kazàka - Kirgizy - Oigoro - Ozbeka - Tatara - Tiorka - Torkmena - Tovàna - Tsovasa
- Fiteny torkika sasany: fiteny afsara - fiteny argo - fiteny azery - fiteny baskira - fiteny gagaoza - fiteny iakoty - fiteny kaskay - fiteny kazàka - fiteny kiptsaka - fiteny kirgizy - fiteny ôgora - fiteny ôgoza - fiteny oigoro - fiteny ozbeka - fiteny tatara - fiteny tatara krimeana - fiteny tatara siberiana - fiteny tiorka - fiteny torkmena - fiteny tovàna - fiteny tsovasa