Fitenim-paritra malagasy
Ny fitenim-paritra malagasy dia endriky ny fiteny malagasy tenenina isaky ny faritra eto Madagasikara izay mitondra ny anaran' ny foko na vondrom-poko miteny azy indrindra. Mizara roa lehibe ny fitenim-paritra malagasy, dia ny fitenim-paritra tatsinanana sy ny fitenim-paritra tandrefana. Marihina fa tsy mifanandrify tanteraka amin' ny atao hoe "foko" ny ftenim-paritra malagasy, araka ny fandinihan' ny mpahay teny azy, na dia mitondra anaram-poko aza ireo fitenim-paritra ireo.
Fanasokajiana ny fitenim-paritra malagasy
[hanova | hanova ny fango]Misokajy roa ny fitenim-paritra malagasy ka ao ireo fitenim-paritra tatsinanana (izay ahitana ny fiteny merina) sy ireo fitenim-paritra tandrefana (izay ahitana ny fiteny sakalava); fanampin' ireo dia misy ireo fitenim-paritra lazaina hoe "mandray roa". Ireo fiteny any andrefana sy atsimon' ny Nosy dia fitenim-paritra tandrefana fa ireo ao amin' ny tany avo afovoany (lembalemba afovoany) sy ny ankamaroan' ny fiteny any avaratra dia fitenim-paritra tatsinanana. Ny Ethnologue dia mirakitra karazam-pitenim-paritra malagasy miisa 12 izay heveriny ho fiteny miavaka.
Fitenim-paritra tatsinanana
[hanova | hanova ny fango]Ny fitenim-paritra tatsinanana dia:
- ny fiteny betsimisaraka avaratra (1 270 000 mpiteny) – tenenin' ny Betsimisaraka amin' ny morontsiraka avaratra-atsinanan' ny Nosy;
- ny fiteny betsimisaraka atsimo (2 000 000 mpiteny) – tenenin' ny Betsimisaraka amin' ny tapany avaratry ny Faritra Vatovavy-Fitovinany;
- ny fiteny malagasy amin' ny afovoan-tany (10 893 000 ny mpiteny) – tenenina ao afovoan' ny Nosy sady ahitana ny fitenim-paritra atsimo-atsinanana toa ny fiteny antemoro sy ny fiteny antefasy;
- ny fiteny antanosy (639 000 mpiteny) – tenenin' ny vahoaka antanosy any atsimon' ny Nosy;
- ny fiteny antesaka (1 130 000 ny mpiteny) – tenenin' ny vahoaka antesaka any atsimo-atsinanan' ny Nosy.
Fitenim-paritra tandrefana
[hanova | hanova ny fango]Ny fitenim-paritra tandrefana dia:
- ny fiteny antankarana (156 000 mpiteny) – tenenin' ny Antankarana any amin' ny tendrony avaratry ny Nosy;
- ny fiteny bara (724 000 mpiteny) – tenenin' ny vahoaka bara any atsimon' ny Nosy;
- ny fiteny masikoro (550 000 mpiteny) – tenenin' ny Masikoro any atsimo-andrefan' ny Nosy;
- ny fiteny sakalava (1 210 000 ny mpiteny) – fitenin' ny Sakalava any amin' ny morontsiraka andrefan' ny Nosy;
- ny fiteny tandroy-mahafaly (1 300 000 mpiteny) – tenenin' ny Antandroy sy ny Mahafaly any atsimon' ny Nosy;
- ny fiteny tsimihety (1 615 000 mpiteny) – tenenin' ny vahoaka tsimihety.
Fanampin' izany, ny ny fiteny kibosy (41 700 mpiteny) dia tenenina any amin' ny Mayotte any amin' ny tambanosin' i Kômôro, any avaratra-andrefan' i Madagasikara.
Fahasamihafan' ny fitenim-paritra
[hanova | hanova ny fango]Hita eo ambany ny tabilao maneho ny lanjan' isan' ny fahasamihafan' ny tenim-paritra.
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | ||
---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|
1 | Merina | 100 | 81 | 81 | 92 | 92 | 86 | 78 | 80 | 79 | 68 | 71 | 68 | 70 | 70 | 61 | 77 | 69 | 61 |
2 | Temoro | 81 | 100 | 78 | 79 | 80 | 78 | 81 | 88 | 88 | 67 | 69 | 71 | 72 | 69 | 61 | 76 | 73 | 65 |
3 | Betsimisaraka | 81 | 78 | 100 | 84 | 78 | 77 | 80 | 78 | 75 | 77 | 70 | 65 | 66 | 62 | 54 | 74 | 96 | 61 |
4 | Sihanaka | 92 | 79 | 84 | 100 | 86 | 81 | 76 | 79 | 77 | 72 | 69 | 67 | 68 | 66 | 59 | 72 | 68 | 58 |
5 | Betsileo-1[m 1] | 92 | 80 | 78 | 86 | 100 | 88 | 77 | 81 | 79 | 68 | 74 | 71 | 75 | 71 | 61 | 79 | 71 | 62 |
6 | Betsileo-2[m 2] | 86 | 78 | 77 | 81 | 88 | 100 | 77 | 80 | 77 | 67 | 71 | 74 | 79 | 74 | 66 | 82 | 75 | 66 |
7 | Antambahoaka | 78 | 81 | 80 | 76 | 77 | 77 | 100 | 74 | 74 | 69 | 66 | 64 | 64 | 60 | 52 | 67 | 64 | 56 |
8 | Antesaka | 80 | 88 | 78 | 79 | 81 | 80 | 74 | 100 | 89 | 67 | 70 | 71 | 73 | 72 | 62 | 76 | 72 | 63 |
9 | Zafisoro | 79 | 88 | 75 | 77 | 79 | 77 | 74 | 89 | 100 | 63 | 68 | 68 | 72 | 71 | 61 | 76 | 71 | 63 |
10 | Tsimihety | 68 | 67 | 77 | 72 | 68 | 67 | 69 | 67 | 63 | 100 | 75 | 61 | 64 | 63 | 54 | 68 | 64 | 56 |
11 | Tankarana | 71 | 69 | 70 | 69 | 74 | 71 | 66 | 70 | 68 | 75 | 100 | 65 | 68 | 69 | 59 | 70 | 67 | 56 |
12 | Vezo | 68 | 71 | 65 | 67 | 71 | 74 | 64 | 71 | 68 | 61 | 65 | 100 | 84 | 74 | 64 | 77 | 80 | 69 |
13 | Mahafaly | 70 | 72 | 66 | 68 | 75 | 79 | 64 | 73 | 72 | 64 | 68 | 84 | 100 | 80 | 68 | 83 | 86 | 76 |
14 | Sakalava-1[m 3] | 70 | 69 | 62 | 66 | 71 | 74 | 60 | 72 | 71 | 63 | 69 | 74 | 80 | 100 | 82 | 79 | 75 | 66 |
15 | Sakalava-2[m 4] | 61 | 61 | 54 | 59 | 61 | 66 | 52 | 62 | 62 | 54 | 59 | 64 | 68 | 82 | 100 | 70 | 67 | 63 |
16 | Bara | 77 | 76 | 74 | 72 | 79 | 82 | 68 | 76 | 76 | 68 | 70 | 77 | 83 | 79 | 70 | 100 | 85 | 74 |
17 | Tandroy-1[m 5] | 69 | 73 | 69 | 68 | 71 | 75 | 64 | 72 | 71 | 64 | 67 | 80 | 86 | 75 | 67 | 85 | 100 | 83 |
18 | Tandroy-2[m 6] | 61 | 65 | 61 | 58 | 62 | 66 | 56 | 63 | 63 | 56 | 56 | 69 | 76 | 66 | 68 | 74 | 83 | 100 |