Fetin'ny Trinite

Avy amin'i Wikipedia
Ny Ampingan'ny Trinite

Ny Fetin'ny Trinite na Alahadin'ny Trinite dia fety ankalazana an'Andriamanitra tokana misy persona telo (Trinite), dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Tao amin’ny Fiangonana voalohany, dia tsy nisy fomba fivavahana manokana na andro manokana natokana ho an’ny Trinite Masina. Nefa rehefa niely ny arianisma (izay noheverina ho fampianaran-dison'i Ariosy) dia nanomana fankalazana omban-kira fiderana sy hira ifamaliana, hira mialoha hotononina amin'ny Alahady ny Rain'ny Fiangonana.

Ankalazaina amin'ny Alahady voalohany aorian'ny Pentekosta ny Fetin'ny Trinite ao amin’ny Fiangonana Tandrefana ary amin’ny Alahadin’ny Pentekosta ao amin'ny Fiagonana Tatsinanana[1].

Ankalazaina amin'ireo Fiangonana tandrefana rehetra ny Alahadin'ny Trinite, dia ny Fiangonana katolika  ny Fiangonana anglikana[2], ny Fiangonana loterana[3], ny Fiangonana presbiteriana[4], ny Fiangonana Mirain'i Kristy[5] ary ny Fiangonana metodista[6].

Fankalazana ao amin'ireo Fiangonana tandrefana[hanova | hanova ny fango]

Ny taom-piangonana[hanova | hanova ny fango]

Ireo Alahady manaraka ny Pentekosta hatramin'ny Advento dia isaina (asiana laharana) manomboka amin'ny Alahadin'ny Trinite. Araka ny fanao nolovana ao amin'ny Fiangonana katolika dia mifanindry amin'ny datin'ny Alahady voalohany aorian'ny Pentekosta ny Alahadin'ny Trinite[7]. Ao amin'ny fombam-pivavahana romana nasiam-panovana dia mitohy herinandro iray aloha ny fotoana tsotra, dia ny Alatsinainy manaraka ny Pentekosta, sy ireo Alahady tafalatsaka amin'ny Pentekosta ka ny Alahadin'ny Trinite dia dinganina amin'io taona io. Ao amin'ny Fiangonan'i Angletera, taorian'ny nampiasana ny fombam-pivavahana Sarum talohan'ny Fanavaozam-piangonana (na Reforma), ny Alahady manaraka dia atao hoe "Alahady voalohany aorian'ny Trinite", fa ankehitriny ny Fiangonana episkopalin'i Etazonia[8] dia manaraka ny fanaon'ny Katolika, ka miantso izany hoe "Alahady faharoa aorian'ny Pentekosta".  Ny fotsy no loko litorjika ampiasaina.

Ny fankalazana ny Trinite[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny Fiangonana katolika[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny Fiangonana katolika dia atao hoe "Trinite Masina Indrindra" io fetin'ny Trinite io. Talohan'ny Konsily Vatikana II dia nanamarika ny fiafaran'ny fari-potoan'ny telo herinandro izay tsy azo anaovana fanamasinam-panambadiana ao am-piangonana izany. Ny loko litorjika ampiasaina dia ny fotsy. Atao amin'io andro io ny Fiekem-pinoan'i Atanasio (na Atanazy), dia ilay atao hoe Quicumque vult. Ny Alakamisy aorian'ny Alahadin'ny Trinite dia fetin'ny Vatan'i Kristy (latina: Corpus Christi) nefa amin'ny faritra sasany toy ny any Etazonia sy Kanadà ary Espaina dia ankalazaina amin'ny Alahady manaraka ny Vatan'i Kristy arakaraka ny fahalalahan'ny paroasiana hanatanteraka ny lamesa sy afaka hankalaza ny fety.

Ao amin'ny Fiangonana anglikana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiekiem-pinoana atanaziana, na dia tsy dia ampiasain'ny Fiangonana anglikana aza, dia tononina ao amin'ny fiangonana anglikana sasany, indrindra ireo "Fiangonana ambony". Ny fampiasana azy dia didiana ao amin'ny Book of Common Prayer tamin'ny taona 1662 an'ny Fiangonan'i Angletera mba hampiasaina amin'ny Alahady sasany aorian'ny fivavahana maraina, isan'izany ny Alahadin'ny Trinite, ary hita koa amin'ny bokim-bavaka maro ao amin'ny fiangonana anglikana amin'izao andro vaovao izao izany. Ny Alahadin'ny Trinite dia fety lehibe ao amin'ny Fiangonan'i Angletera sady isan'ireo andro fety fito lehibe ao amin'ny Fiangonana episkopaly. Ny paroasy anglikana manaraka ny firehana anglo-katolika dia mitandrina ny fankalazana ny Vatan'i Kristy (Corpus Christi) amin'ny Alakamisy manaraka, na koa amin'ny Alahady manaraka[9].

Ny Fiangonana metodista[hanova | hanova ny fango]

Ankalazaina araka ny The Book of Worship for Church and Home (1965) ny Fetin'ny Trinite ao amin'ny Fiangonana metodista[10].

Fiangonana tatsinanana[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ireo Fiangonana ortodoksa tatsinanana sy ny Fiangonana katolika tatsinanana, ny Alahadin'ny Pentekosta dia antsoina hoe Alahadin'ny Trinite (ny Alahady manaraka ny Pentekosta dia Alahadin'ny Olomasina). Ny Alatsinainy manaraka ny Petekosta dia atao hoe Alahadin'ny Fanahy Masina ary ny ampitson'io, ny andro fahatelo amin'ny Trinite. Na dia tsy noraiketina ao amin'ny fanao tatsinanana aza ny loko litorjika (raha tokony ho izy dia misy ny loko natokana ho an'ny fety sy ny loko manjombona na loko ho an'ny Karemy), amin'ny fiangonana sasany dia ampiasaina ny maitso amin'ny Pentekosta ary ny fotoana aorian'ny Pentekosta.

Daty[hanova | hanova ny fango]

Isan'ireo fetim-piangonana miovaova daty ny Fetin'ny Trinite. Ny Alahadin'ny Trinite dia ny Alahady aorian'ny Pentekosta sy herinandro valo aorian'ny Alahadin'ny Paska. Ny daty akaiky indrindra mety ankalazana ny Fetin'ny Trinite dia ny 17 Mey (sahala ny tamin'ny 1818 sy ny ho amin'ny taona 2285). Ny daty tratra aoriana indrindra mety hanaovana io fankalazana io dia ny 20 Jona (sahala ny tamin'ny taona 1943 sy ny ho amin'ny taona 2038).

Tantsinanana Tandrefana
2014 15 Jona 8 Jona
2015 31 Mey 31 Mey
2016 22 Mey 19 Jona
2017 11 Jona 4 Jona
2018 27 Mey 27 Mey
2019 16 Jona 16 Jona
2020 7 Jona 7 Jona
2021 30 Mey 20 Jona

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. "Christianity: The Trinity". BBC. BBC. Notsidihina tamin'ny 20/05/2016.
  2. "Trinity Sunday in United Kingdom", Time and Date
  3. "Questions and answers about Trinity Sunday", St. Paul's Lutheran Church, Kingsville Archived 2013-06-17 at the Wayback Machine.
  4. "Trinity Sunday", Presbyterian Mission Agency
  5. "Trinity Sunday", UCC Worship Ways,
  6. "Trinity Sunday/First Sunday after Pentecost" Archived Septambra 2, 2016 at the Wayback Machine. United Methodist Church Discipleship Ministries. Retrieved 17 March2016.
  7. "Solemnity of the Most Holy Trinity", Directory on Popular Piety and the Liturgy, §157, Vatican City, 17 December 2001
  8. "First Sunday after Pentecost: Trinity Sunday", The Lectionary Page
  9. http://anglicansonline.org/ [Tahiry] Notsidihina 13/06/2017
  10. The Book of Worship for Church and Home: With Orders of Worship, Services for the Administration of the Sacraments and Other Aids to Worship According to the Usages of the Methodist Church. Methodist Publishing House. 1964. p. 131. Notsidihina tamin'ny 25/03/2017.