Aller au contenu

Faritra Ambatosoa

Avy amin'i Wikipedia
Faritra Ambatosoa
-
Fianarana no lova tsara
Firenena  Madagasikara
Faritany Toamasina
Renivohi-paritra Maroantsetra
Distrika 2
Lehiben'ny faritra Tsy fantatra
Fianarana no lova tsara
Velarantany 11 196 km2
Isam-ponina 648 900 mpo.
Hakitroky ny mponina 57,96 mpo/km2
Fianarana no lova tsara
Laharam-pehintany -----
Laharan-jarahasina -----
Maroantsetra

Ny faritra Ambatosoa dia faritra any atsinanana amin' i Madagasikara ao amin' ny faritanin' i Toamasina. Voazara ho distrika roa izy: Mananara Avaratra sy Maroantsetra[1]. Ahitana kaominina miisa 36 ity faritra ity[1]. Ny renivohi-paritra dia i Maroantsetra.[2][1] Ny isan' ny mponiny dia 551 066 tamin' ny taona 2023[3].

Eo amin' ny morontsiraka avaratra-atsinanan' i Madagasikara ny Faritra Ambatosoa ary mirefy 11 196 km2. Ireto faritra manaraka ireto no mamaritra azy: Faritra Sava ao avaratra sy Faritra Analanjirofo ao atsimo ary Faritra Sofia ao andrefana.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

Ao atsinanany ny Ranomasimbe Indiana izay mahazo ny Helodranon' i Antongil[2]. Ny Lalam-pirenena faha-5 izay simba tanteraka no idirana ao amin' ilay faritra[4]: miainga avy ao Toamasina izany ary miafara any Maroantsetra, any amin' ny 394 km.

Ahitana distrika roa io faritra io, dia ny Distrikan' i Mananara-Avaratra sy ny Distrikan' i Maroantsetra[1].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1,0 1,1 1,2 et 1,3 "Loi n° 2023-012" [Arsiva], assemblee-nationale.mg, 29 juin 2023
  2. 2,0 et 2,1 "Découpage territorial - La création de la région Ambatosoa se précise" [Arsiva], L'Express de Madagascar
  3. Ministère de l'intérieur, "Décret n° 2024-582" [Arsiva] ceni-madagascar.mg, 14 mars 2024.
  4. "Route Nationale 5 is said to be the worst road of Madagascar" [Arsiva], www.dangerousroads.org