Asorotany (antokon-kintana)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Antokon-kintan'ny Asorotany

Ny Asorotany dia antokon-kintan'ny zodiaka andalovan'ny masoandro amin'ny 20 Jolay hatramin'ny 10 Aogositra. Eo andrefany no misy ny Adizaoza fa eo antsinanany kosa ny Alahasaty.

Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe اسرطان / As-Saratan na As-Sartan ("foza") ny hoe Asorotany.Amin'ny faritra sasany eto Madagasikara dia atao hoe Asaratà na Saratà io teny io. Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy ary amin'ny teny frantsay hoe Cancer. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Καρκίνος / Karkinos. Amin'ny fiteny soahily dia atao hoe Saratani io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Sartan na Ketam ihany koa izy.

Andalovan'ny masoandro amin'ny 22 Jona hatramin'ny 22 Jolay ny evan'ny zodiaka Asorotany mitovy anarana aminy izay ampiasaina amin'ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana.

Antokon-kintan'ny Asorotany


Jereo koa[hanova | hanova ny fango]