Alohotsy (antokon-kintana)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Antokon-kintan'ny Alohotsy

Ny Alohotsy na Trondro dia antokon-kintan'ny zodiaka andalovan'ny masoandro amin'ny 11 Marsa hatramin'ny 18 Avrily. Ny antokon-kintan'ny Adalo no eo andrefany fa ny an'ny Alahamady kosa no eo atsinanany.

Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe الحوت / Al-Hut ("trondro") ny hoe Alohotsy. Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Pisces na amin'ny teny frantsay hoe Poissons. Amn'ny teny grika izy dia atao hoe Ιχθύες / Ikhthues (na Ikhthyes). Amin'ny fiteny soahily dia atao hoe Hutu na Samaki io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Hut na Ikan ihany koa izy

Ny evan'ny zodiaka Alohotsy, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin'ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan'ny masoandro amin'ny 20 Febroary hatramin'ny 20 Marsa.

Antokon-kintan'ny Alohotsy


Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]