Adimizana (antokon-kintana)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Antokon-kintan'ny Adimizana

Ny Adimizana na Mizana dia antokon-kintan'ny zodiaka andalovan'ny masoandro amin'ny 30 Oktobra hatramin'ny 20 Novambra. Ny antokon-kintan'ny Asombola no eo andrefany fa ny an'ny Alakarabo kosa no eo antsinanany.

Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe اميزان / Al-Mizan ("mizana") ny hoe Adimizana. Amin'ny faritra maro eto Madagasikara dia atao hoe Alimizana na Alimizà io teny io.

Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Libra na amin'ny teny frantsay hoe Balance. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Ζυγός / Zugos (na Zygos). Amin'ny fiteny soahily dia atao hoe Mizani io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Mizan na Neraca ihany koa izy.

Ny evan'ny zodiaka Adimizana, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin'ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan'ny masoandro amin'ny 23 Septambra hatramin'ny 22 Oktobra.

Antokon-kintan'ny Adimizana


Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]