Mpitondra Rano (antokon-kintana)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Adalo (antokon-kintana))
Antokon-kintan'ny Mpitondra Rano
Antokon-kintan'ny Mpitondra Rano

Ny Mpitondra Rano dia antokon-kintan'ny zôdiaka andalovan'ny masoandro amin'ny 16 Febroary hatramin'ny 11 Marsa. Ny antokon-kintan'ny Tandrok' Osy no eo andrefany fa ny an'ny Hazandrano kosa no eo atsinanany.

Avy amin'ny teny arabo hoe ادلو / Al-Dalu io antokon-kintana io, izay niavian'ny anaran' ny vintana sy ny vilana malagasy hoe Adalo. Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Aquarius na amin'ny teny frantsay hoe Verseau. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Υδροχόος / Hudrokhoos (na Hydrokhoos) . Amin'ny teny soahily dia atao hoe Dalu na Ndoo io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Dalwu na Timba koa izy.

Ny evan' ny zôdiaka Mpitondra Rano, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 21 Janoary hatramin' ny 19 Febroary.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: