Aller au contenu

Orogoay

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Uruguay)
Sainan'i Orogoay
Orogoay

I Orogoay dia firenena ao Amerika Atsimo, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. I Montevideo no ny renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Montevideo. Mirefy 176 215 km2 ny velarany ary niisa, 3.444.263 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny volana Jolay 2011. Ny faritr' orany dia +11.

Ny tanim-pirenen' i Orogoay dia fitohizan' ny Pampa Arzantina: amin' ny ankapobeny dia tany lemaka mialonalona aniriana ahitra ny ankabeazan' ny tanin' i Orogoay. Ny ony Negro (izay mamakivaky an' ilay firenena avy any atsinanana ka hatrany andrefana) sy ny ony Uruguay (izay zary sisintany manasaraka azy amin' i Arzantina, any andrefan' ilay firenena) no korian-drano lehibe indrindra ao Orogoay.

Ny ankamaroan' ny Orogoaiana dia taranaky ny Eorôpeana. Katôlika ny ankamaroany. Monina an-tanàn-dehibe ny mponina ary mipetraka indrindra any amin' ny morontsirak' i Atlantika. Ny indostria sy ny fizahan-tany dia mitana toerana lehibe eo amin' ny toekaren' i Orogoay. Na izany aza, ny fambolena sy ny fiompiana dia mbola mijanona ho sehatra tena ilaina: ny fiompiana (ondry sy omby), izay fanao eny amin' ny lemaka lehibe, dia miantoka ny ampahany lehibe amin' ny fanondranana mankany ivelany, ka hena sy volonondry (ity firenena ity dia anisan' ny mpamokatra volonondry voalohany eran' izao tontolo izao) sy hoditra. Mivoatra koa ny jono. Zanatany espaniôla taloha, Orogoay dia nahaleo tena nanomboka tamin' ny 1828.

Fizarana administratif

[hanova | hanova ny fango]
Faritra velarantany (km²) mpoina (2017)[1] Renivohitra
Artigas 11.928 74.800 Artigas
Canelones 4.536 581.500 Canelones
Cerro Largo 13.648 89.600 Melo
Colonia 6.106 130.000 Colonia del Sacramento
Durazno 11.643 59.000 Durazno
Flores 5.144 26.500 Trinidad
Florida 10.417 69.300 Florida
Lavalleja 10.016 59.200 Minas
Maldonado 4.793 187.600 Maldonado
Montevideo 530 1.381.200 Montevideo
Paysandú 13.922 119.100 Paysandú
Río Negro 9.282 57.600 Fray Bentos
Rivera 9.370 108.300 Rivera
Rocha 10.551 74.000 Rocha
Salto 14.163 132.300 Salto
San José 4.992 115.600 San José de Mayo
Soriano 9.008 84.000 Mercedes
Tacuarembó 15.438 93.000 Tacuarembó
Treinta y Tres 9.676 50.500 Treinta y Tres
Orogoay, administrative divisions

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]