Tahirin-javaboarin' Analamazoatra
Ny Tahirin-javaboarin' Analamazaaotra na Valan-javaboarim-pirenen' Analamazaotra dia tahirin-javaboary sy valan-javaboary eto Madagasikara. Any amin' ny tapany atsinanana amin' ny afovoan-tanin' i Madagasikara no misy azy. Ny Tobin' Alan' Analamazoatra dia ezaka fambolen-kazo eny an-toerana. Mifanila amin' ny Valan-javaboarim-pirenen' Andasibe-Mantadia eo avaratra izy.
Ity tahirin-javaboary ity dia ao amin' ny Faritra Alaotra-Mangoro, akaikin' i Moramanga sy Andasibe. 27 km miala an' i Moramanga no misy Ny Valan-javaboarim-pirenen' Analamazaotra ary manamorona ny ny lalam-pirenena faha-2 ao atsimo, lalam-paharoa mankany Andasibe sady ahitana ny lalamby mampitohy an' Antananarivo sy Toamasina.
Fitahirizana
[hanova | hanova ny fango]Niorina tamin' ny taona 1970 ny Tahirin-javaboary manokan' Analamazaotra. Tamin' ny 21 Avrily 2015, ilay tahirin-javaboary no natambatra amn' ny Tobin' Alan' Analamazaotra izay mifanakaiky aminy mba hamoronana ny Valan-javaboarim-pirenen' Analamazaotra tamin' ny alalan' ny didim-panjakana N° 2015-732.
Karazam-biby
[hanova | hanova ny fango]Karazana maky sy varika iraika ambin' ny folono miaina ao amin' ilay tahirin-javaboary:
- ny Prolemur simus;
- ny babakoto (Indri indri);
- ny Eulemur rubriventer;
- ny Haplemur griseus;
- ny Varecia Variegata;
- ny sifaka diadema (Propithecus diadema);
- ny Avahi laniger;
- ny haihay (Daubentonia madagscariensis);
- ny Cheirogaleus major.
Misy karazany 51 koa ny biby mandady na mikiaka, anisan' izany ny bibilava Sanzinia madagascariensis, karazana Amphibia (sahona sns) 84 ary karazam-borona zato mahery.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenen' Analamazaotra • Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia