Bedoina (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Bedoina ao amin' ny faritra atsimo amin' i Jôrdania;

Ny Bedoina vahoaka arabo mpifindrafindra monina an-tany efitra any Atsinanana Akaiky, indrindra any Arabia sy Siria ary Sinay, miaina amin' ny fiompiana osy, ondry ary rameva. Ity vahoaka arabo ity dia misy mponina 4 tapitrisa eo ho eo. Ny anarana hoe "Bedoina" dia avy amin' ny teny arabo hoe البدو / badw na بَدَوِي / badawi na بَدَوِيُّون / badawiyune izay midika hoe "mponina any ambanivohitra" na "mponina any an' efitra". Fantatra amin' ny fiteniny (arabo) sy ny kolontsainy ary ny rafi-piarahamoniny manoka  izy ireo. Amin' izao fotoana izao, dia eo amin' ny 5 % eo ho eo amin' ny Bedoina any Afovoany Atsinanana ihany no mbola mpifindrafindra monina, fa ny Bedoina vitsivitsy any Sinay dia mbola manatanteraka fifindrafindrà-monina. Amin' ny Bedoina sasany dia tsy maintsy izay anisan' ny foko bedoina ihany no afaka mitonona ho bedoina, fa ho an' ny hafa dia ilaina ihany koa ny manao ny fiainan' ny mpifindrafindra monina, ka izany dia manilika ireo izay marim-ponenana.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Tany amin' ny taniefitr' i Ejipta sy ny an' i Siria ihany ny tanin' ny Bedoina taloha. Tatỳ aoriana dia niditra tany Mesôpôtamia sy tany Kaldea izy ireo. Nanokatra tany vaovao ho azy ireo ny fandresen' ny silamo tao Afrika Avaratra tamin' ny taonjato faha-7. Nandritra io fanitaran-tany nataon' ny Arabo mozilmana io dia nifaninana tamin' ny Berbera ny Bedoina. Amin' izao fotoana izao dia firenena maro any Afovoany Atsinanana sy ao Afrika Avaratra no miezaka mametra ny fivezivezen' ny Bedoina avy amin' ny firenena iray mankany amin' ny firenena hafa.

Faritra sy firenena misy ny Bedoina[hanova | hanova ny fango]

Ao Arabia Saodita[hanova | hanova ny fango]

Miisa eo amin' ny 1 000 000 ny Bedoina ao Arabia Saodita.

Ao Ejipta[hanova | hanova ny fango]

Miisa eo amin' ny 380 000 ny Bedoina tao Ejipta tamin' ny taona 2007.

Ao Tonizia[hanova | hanova ny fango]

Ao Siria[hanova | hanova ny fango]

Ao Israely[hanova | hanova ny fango]

Miisa eo amin' ny 170 000 ny Bedoina ao Israely tamin' ny taona 1999.

Ao Palestina[hanova | hanova ny fango]

Ao Jôrdania[hanova | hanova ny fango]

Miisa eo amin' ny 10 336 ny Bedoina mpifindrafindra monina ao Jôrdania tamin' ny taona 2004.

Firenena Isan' ny Bedoina
Arabia Saodita 2 000 000
Alzeria 2 000 000 – 6 000 000
Iràka 1 500 000
Jôrdania 1 300 000 – 4 000 000
Libia 1 300 000
Ejipta 1 200 000
Marôka 1 000 000 –1 500 000
Sodàna 1 000 000
Emirata Arabo Mitambatra 800 000
Tonizia 800 000 – 2 600 000
Siria 700 000 – 2 600 000
Iemena 500 000
Iràna 500 000
Maoritania 500 000 – 2 000 000
Kôety 300 000
Ômàna 250 000
Israely 220 000
Libàna 200 000
Bareina 70 000
Eritrea 50 000 – 60 000
Katara 50 000
Palestina 40 000

Fomba fiaina sy kolontsaina[hanova | hanova ny fango]

Fifindrafindrà-monina[hanova | hanova ny fango]

Ankehitriny ny Bedoina sasany dia nanohy ny fomba fiainany mifindrafindra monina sy mihary andiam-biby fiompy, ka mivelona indrindra amin' ny hena sy ny vokatra vita amin' ny ronono avy amin' ny biby fiompiny, izay ahitana rameva, ondry, osy, boriky ary soavaly. Na izany aza, noho ny fitomboan' ny famokarana solitany tamin' ny taompolo 1960 sy 1970, dia maro ny Bedoina niditra hiasa ao amin' ny indostrian' ny solitany.

Ny fandaharan' asan' ireo governemanta any Afovoany Atsinanana dia mandrisika ny Bedoina ho marim-ponenana. Amin' izao fotoana izao, 5 % hatramin' ny 10 % amin' ny Bedoina ihany no manao ny fiainan' ny mpifindrafindra monina tanteraka, fa ny ankamaroany kosa dia mpifindrafindra monina arakaraka ny vanin-taona.

Ny toeram-ponenan' ny Bedoina nentim-paharazana dia ny toby: ny lay bedoina dia toritorin-damba vita amin' ny volon-drameva sy amin' ny tsiraka zavamaniry nozairina ary nolokoina mainty. Rehefa manapa-kevitra ny hipetraka vonjimaika na maharitra amin' ny toerana iray ny Bedoina, dia manorina trano mahitsizoro misy rihana maromaro, misy rindrina vita amin' ny rihitra fifangaroana taniditra, rano, ahitra voatetika na vita amin' ny vato.

Rafi-piarahamonina[hanova | hanova ny fango]

Ny lamina ara-pôlitikan' ny Bedoina dia mifototra amin' ny fianakaviana (lehibe noho ny ankohonana), izay tarihin' ny lehilahy loham-pianakaviana (patriarika). Ny vondrom-pianakaviana tsirairay, manomboka amin' ny fianakaviana tokana ka hatramin' ny vahoaka iray manontolo, dia tarihin' ny sheikh iray. Miampita avy amin' ny ray mankamin' ny zanany lahimatoa izany fahefana izany. Tsy miankina amin' ny haben' ny vondrom-pianakaviana tarihiny ny fahefana ara-pôlitikan' ny sheikh, fa amin' ny hareny sy ny tanjaky ny toetrany.

Tany am-boalohany, ny lamina ara-piarahamonin' ny Bedoina dia nampitovy zo ny tsirairay. Taorian' ny fandesena sy ny fahazoana tany vaovao anefa dia nanjary nisy ambaratonga izany fiarahamonina izany ka nisy ny sarangan' ny olona ambony izay mpiady sy olon-kendry sy masina (مَربوط /marbūṭ na مُرابِط / murābiṭ), sy ny sarangan' ny olona afaka mpanao asa tanana (mpanefy, mpanamboatra lasely), ary ny andevo izay matetika tantsaha sady manam-piaviana berbera.

Fivavahana[hanova | hanova ny fango]

Mozilmana sonita ny ankamaroan' ny Bedoina.

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Miteny amin' ny fitenim-paritra arabo sy fitenim-paritra semitika atsimo izy ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]