Tany efitr' i Sinay

Avy amin'i Wikipedia
Ny tany efitr' i Sinay jerena avy eny amin' ny habakabaka

Ny Tany efitr' i Sinay, na Tany efitr' i Sinaia, izay matetika antsoina hoe Sinay na Sinaia fotsiny, dia saikanosy egiptiana manana velarana 60 000 km2, izay miendrika telolafy ary hita eo anelanelan' ny Ranomasina Mediteranea (ao avaratra) sy ny Ranomasina Mena (ao atsimo). Ao Azia Atsimo Andrefana no misy azy ara-jeôgrafia. Ny sisin-taniny dia manamorona ny lakandranon' i Suez ao andrefana sy ny sisin-tany manasaraka an' i Egipta sy i Israely ary ny sombin-tanin' i Gaza ao avaratra atsinanana. Ny sisin-taniny atsinanana dia ahitana hantsana vokatry ny fihetsehan' ny tany izay mihataka isan-taona amin' ny Ranomasina Mena. Trandrahina ao amin' ny tapany avaratra sy ao afovoany atsimo ny solitany sy ny vy ary ny manganezy.

Io faritra io, izay manana toetany mafana, dia misy mponina egiptiana maherin' ny 400 000 ankehitriny, indrindra ao avaratra manamorona ny sisin-tany israeliana sy ny sombin-tanin' i Gaza. Ny tanàn-dehibe fantatra indrindra ao dia i Sharm el-Sheikh (arabo: شرم الشيخ / Sharm al-Shaykh) sy i Taba, izay samy toeram-pizahan-tany manana ny maha izy azy.

Ny toerana avo indrindra hita ao amin' ny faritra atsimo ao amin' ilay saikanosy dia ny tendrombohitra Katerina (arabo: جبل كاثرين‎ / Jebel Hatharina) izay mahatratra 2 642 m ambonin' ny ranomasina sady tampon' i Egipta farany avo indrindra. Ny tendrombohitra Sinay na Sinaia, izay atao hoe جبل موسى / Jebel Musa (izany hoe "tendrombohitr' i Mosesy") amin' ny teny arabo, mahatratra 2 285 m, eo akaikin' ny tendrombohitra Katerina, no nandraisan' i Mosesy na Môizy ny Didy Folo, araka ny Baiboly. Na dia izany aza dia lavin' ny mpahay tantara sy ny arkeôlôga amin' ny ankapobeny ny filazana fa io tokoa no toerana nisy ilay Sinay resahina ao amin' ny Baiboly. Eo akaikin' ireo tampon-tendrombohitra roa ireo dia ahitana ny mônasteran' i Masimbavy Katerina, izay niorina tamin' ny taonjato faha-5 sady asa fanorenana bizantina tranainy indrindra voatahiry hatramin' izao fotoana izao.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]