Aller au contenu

Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Rosia Sôvietika)
Sainan' ny Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia

Ny Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia, na amin' ny fomba tsy ôfisialy hoe Rosia Sôvietika, dia fanjakana sôsialista federaly mahaleo tena nanomboka tamin' ny taona 1917 ka hatramin' ny 1922, ary avy eo dia izy no repoblika lehibe indrindra sy be mponina indrindra tao amin' ny Firaisana Sôvietika nanomboka tamin' ny taona 1922 ka hatramin' ny 1991, mandra-pahatonga azy ho lasa ampahany manam-piandrianana azy ao amin' ny Firaisana Sôvietika miaraka amin' ny naha laharam-pahamehana ny lalàna rosiana noho ny lalàna tao amin' ny Firaisana tamin' ny taiba 1990 sy 1991, izay roa taona farany nisian' ny Firaisana Sôvietika. Ity repoblika ity dia fantatra taloha amin' ny anarana hoe Repoblika Sôvietika Rosiana sy Repoblika Sôvietika Sôsialista Rosiana. Amin' ny teny rosiana izy dia atao hoe Российская Советская Федеративная Социалистическая Республика / Rossiyskaia Sovietskaia Federativnaia Sotsialistichieskaia Riespublika) I Rosia Sôvietika dia ahitana repoblika mizakatena enina ambin' ny folo kely kokoa, sy ôblasta mizaka tena dimy, ôkroga mizakatena folo, kray enina ary ôblasta efapolo. Ny Rosiana no namorona ny foko lehibe indrindra. Ny renivohitr' i Rosia Sôvietika sy ny Firaisana Sôvietika amin' ny ankapobeny dia i Môskoa ary ny tanàndehibe hafa dia i Leningrad (Petrograd hatramin' ny taona 1924), i Stalingrad (Volgograd taorian' ny taona 1961), i Novosibirsk, i Sverdlovsk, i Gorky ary i Kuybyshev. Io no fanjakana sôsialista voalohany eto an-tany.

Ny Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia (mena) ao anatin' ny Firaisana Sôvietika (mena sy fotsy) teo anelanelan' ny taona 1956 sy 1991

Lasa indostrialy be ny toekaren' i Rosia, ka ny roa ampahatelon' ny herinaratra novokarina tao amin' ny Firaisana Sôvietika izany. Tamin' ny taona 1961, io no mpamokatra solika fahatelo lehibe indrindra noho ny fahitana otri-tsolitany tany amin' ny faritr' i Volga-Ural sy tany Siberia, ka ny eo alohany dia i Etazonia sy i Arabia Saodita ihany. Tamin' ny taiba 1974 dia nisy sekoly ambony miisa 475 tao amin' ilay repoblika, izay nanome fampianarana tamin' ny fiteny 47 ho an' ny mpianatra niisa 23 941 000 teo ho eo. Sampan-draharaha momba ny fahasalamam-bahoaka voalamina isam-pizaràn-tany nanome fikarakarana ara-pahasalamana. Ny toekarena, izay nihantona nanomboka tamin' ny faramparan' ny taompolo 1970 teo ambany fitarihan' ny sekretera jeneraly Leonid Brezhnev, dia nanomboka nalalaka tamin' ny 1985 tamin' ny pôlitikan' ny fanavaozana "perestroika" nataon' i Gorbachev, anisan' izany ny fampidirana orinasa tsy miankina (ohatra: kôperativa).

Tamin' ny 7 Nôvambra 1917 [25 Ôktôbra], vokatry ny Revôlisiônan' ny Ôktôbra, ny Repoblika Sôvietika Rosiana dia nambara ho fanjakana manana fiandrianana sady fanjakana sôsialista voalohany araka ny lalàmpanorenana tarihin' ny foto-pisainana kôminista. Ny lalàmpanorenana voalohany dia nolaniana tamin' ny taona 1918. Tamin' ny taona 1922, i Rosia Sôvietika dia nanao sonia fifanarahana tamin' ny fomba ôfisialy ka namorona ny Firaisana Sôvietika. Tamin' ny 12 Jona 1991 dia i Boris Yeltsin (1931–2007), izay notohanan' ny hetsika Rosia Demôkratika mpomba ny fanavaozana, no voafidy ho filoha voalohany sady tokana ao amin' i Rosia Sôvietika, toerana izay ho lasa fiadidian' ny Federasiônan' i Rosia.

Nanakorontana ny Firaisana Sôvietika ny fikasana fanonganam-panjakana tamin' ny Aogositra 1991 tany Môskoa niaraka tamin' ny fampihibohana fohy vonjimaika nataon' ny filoha Mikhail Gorbachev. Taorian' ireo zava-nitranga ireo dia very ny hery sisa rehetran' i Gorbachev, ary i Yeltsin no nisolo toerana azy ho olo-malaza ao amin' ilay firenena. Tamin' ny 8 Desambra 1991 dia nanao sonia ilay fifanarahana Belovezha ny lehiben' i Rosia sy ny an' i Okraina ary ny an' i Bielôrosia. Ity fifanarahana ity dia nanambara ny fandravana ny Firaisana Sôvietika tamin' ny alalan' ny firenena nanorina azy tany am-boalohany (izany hoe, tsy fampananan-kery ny fifanarahana tamin' ny taona 1922 momba ny famoronana ny Firaisana Sôvietika) ary nanangana ny Fikambanan' ny Firenena Mahaleotena ho lasa kônfederasiôna malalaka. Tamin' ny 12 Desambra dia nankatoavin' ny Sôviety Faratampony (parlemantan' ny Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia) ilay fifanarahana; noho izany dia nanaiky ny tsy fampananan-kery ny fifanarahana momba ny fananganana ny Firaisana Sôvietika i Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia ary nanambara ny fahaleovantenan' i Rosia avy amin' ny Firaisana Sôvietika sy ny fifandraisany amin' ny repoblika sôvietika hafa.

Tamin' ny 25 Desambra 1991, taorian' ny fametraham-pialan' i Gorbachev amin' ny maha filohan' ny Firaisana Sôvietika (sy sekretera jeneralin' ny Antoko Kômonista Sôvietika teo aloha azy), dia novana anarana hoe Federasiônan' i Rosia ny Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia. Ny ampitson' io, taorian' ny nampidinana ny saina sôvietika teo an-tampon' ny tranoben' ny Loholona ao Moskoa, Kremlin, sy ny fanoloana izany tamin' ny sainam-pirenena rosiana, dia noravan' ny Sôvietin' ny Repoblika ny Firaisana Sôvietika tamin' ny 26 Desambra, izay tamin' izany fotoana izany, no hany parlemantera niasa tao amin' ny Sôviety Faratampon' ny Firaisana Sôvietika (ny parlemantera hafa, Sôvietin' ny Firaisana, dia efa tsy nahatratra ny isa farany kely ahafahana manapa-kevitra taorian' ny fampodian' ny repoblika maro azy ireo). Taorian' ny fandravana dia nandray ny andraikiny feno momba ny zo sy adidy rehetra an' ny Firaisana Sôvietika i Rosia araka ny Dinan' ny Firenena Mikambana, anisan' izany ny adidy ara-bola. Noho izany dia noraisina ho mpikambana ao amin' ny Firenena Mikambana ny hisolo ny Firaisana Sôvietika sy mpikambana maharitra ao amin' ny Filankevi-Piarovanan' ny Firenena Mikambana i Rosia, ary niandraikitra ny fifehezana ny tahiry nokleary sy ny tafika; ny masoivoho sôvietika any ivelany dia lasa masoivoho rosiana.

Ny lalàmpanorenan' ny Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia tamin' ny taona 1978 dia nasiam-panitsiana imbetsaka mba hanehoana ny fiovana mankany amin' ny demôkrasia, ny fananan' olon-tsotra ary ny toekarena miankina amin' ny tsena. Ny lalàmpanorenana rosiana vaovao, nanomboka tamin' ny 25 Desambra 1993 taorian' ny krizy momba ny lalàmpanorenana, dia nanafoana tanteraka ny endriky ny governemanta sôvietika ary nanoso izany amin' ny rafitra mampanjaka tapany ny filoha.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]