Aller au contenu

Santa-Vinsanta-sy-Grenadina

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Masina Vincent sy Grenadine)
Sainan' i Santa-Vinsanta-sy-Grenadina
Toerana misy an' i Santa-Vinsanta-sy-Grenadina
Sarin-tanin' i Santa-Vinsanta-sy-Grenadina

I Santa-Vinsanta-sy-Grenadina dia firenena ao Amerika Afovoany, anisan' ireo Antilia (Antilles) sady manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika sy ao amin' ny ny Ranomasina Karaiba. Ny renivohiny dia i Kingstown. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 389 km2 ny velarany ary niisa 101 390 ny mponina ao tamin' ny taona 2020. Ny ankamaroan' ny mponin' i Santa-Vinsanta-sy-Grenadina dia prôtestanta. Ny faritr' ora dia -4. Ny nosy Santa-Vinsanta-sy-Grenadina dia mamorona vondronosy ahitana ny nosy Saint Vincent sy ireo nosy Grenadines. Avy amin' ny volkano ny nosy Saint-Vincent izay vakivakin' ny tandavan-tendrombohitra misy ala avy any avaratra mankany atsimo; ity tandavan-tendrobohitra ity no ahitana ny tampona avo indrindra ao amin' ilay firenena (i Soufrière izay mahatratra 1 234 m, sady volkano mbola velona).

Ny toekaren' ity firenena ity dia miompana amin' ny fambolena.

Nahaleo tena i Santa-Vinsanta-sy-Grenadina nanomboka tamin' ny taona 1979,  ary mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy; ny mpanjakan' i Angletera dia soloan' ny governora tena eo an-toerana, fa raha ny fanao no jerena dia praiminisitra no mampihatra ny fahefana sady tompon' andraikitra eo anatrehan' ny Antenimiera.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.