Faritanin' i Toliara

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Faritanin'i Toliary)
Faritanin' i Toliara (miloko maitso mazava)

Ny Faritanin' i Toliara dia anisan' ireo faritany enina eto Madagasikara. Izy no faritanin' i Madagasikara lehibe indrindra raha ny velarana no jerena; any amin' ny tapany atsimo-andrefan' ny nosy no misy azy; misy ny seranan-tsambo ao amin' ny lakandranon' i Mozambika.

Ny anarana hoe Toliara dia anarana ofisialin' ilay tanàna nanomboka tamin' ny fanagasiana tamin' ny taona 1970 tamin' ny fanagasiana ny anaran-tanàna nitondra anarana frantsay, ny anaran-tanàna fotsiny no tena niova fa ny anaran-dalana mitovy ihany. 936 km miala ao Antananarivo no misy ny renivohiny, dia ny tanànan' i Toliara.

Tsy vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany taorian' ny fanavaozana ny Lalàmpanorenana tamin' ny Avrily 2007 izay nametraka ny faritra nefa naverina ny maha vondrom-paritra itsinjaram-pahefana azy tamin' ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 na dia tsy voahaja aza izany.

Faritra sy distrika[hanova | hanova ny fango]

Faritra ao amin' ny Faritanin' i Toliara
Distrika ao amin' ny Faritanin' i Toliara

I Toliara dia faritany mizara ho faritra efatra dia ireto avy:

Ireto kosa ny distrika isaky ny faritra:

Faritra Atsimo Andrefana[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny faritra Atsimo-Andrefana no misy ny renivohitry ny Faritanin' i Toliara. Indreto ny distrika ao amin' io faritra io:

Faritra Androy[hanova | hanova ny fango]

Ny renivohitry ny faritra Androy dia Ambovombe. Indreto ny distrika ao amin' io faritra io:

Faritra Menabe[hanova | hanova ny fango]

Ny renivohitry ny faritra Menabe dia i Morondava. Indreto ny distrika ao amin' io faritra io:

Faritra Anosy[hanova | hanova ny fango]

Ny renivohitry ny faritra Anosy dia i Taolagnaro na Taolanaro. Indreto ny distrika ao amin' io faritra io:

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Faritany eto Madagasikara:

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra samihafa

Didy aman-dalàna

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.