Aller au contenu

Zanak' i Israely

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Zanak'i Israely)
I Israely ao Egipta,  sary nataon' i Edward Poynter,  1867

Ny Zanak' i Israely na Zanak' Isiraely dia ireo Hebreo taranak' i Jakôba nonina tany Egipta avy eo nifindra tany Kanaana. Israely no iantsoana an’ i Jakôba taorian’ ny nitolomany tamin’ ny anjely iray.

Ny teny hoe “zanak' i Israely” (hebreo: בני ישראל / B'neï Yisraēl) dia iray amin' ireo fiantsoana ampiasaina matetika indrindra ao amin' ny Torah mba hanondroana ny Israelita, izany hoe ireo taranak' i Jakôba patriarka, nomena anarana hoe Israely ("Niady teo anilany Andriamanitra"). Antsoina hoe Hebreo koa izy ireo. Ao amin' ny Testamenta Taloha indrindraindrindra no ahitana io andian-teny Zanak' i Israely io. Ao amin’ ny Testamenta Vaovao dia mety hanondro ny Kristiana io andian-teny io. Tsy voatery hitovy ny dikan' ny hoe Zanak' i Israely, Israelita, Hebreo ary Jiosy (na Jody) arakaraka ny lahatsoratra misy azy.

Tsy tokony afangaro ny teny hoe "Zanak' i Israely" sy ny hoe "Israeliana"”: ny hoe Isiraely ao amin' ny andian-teny faharoa dia manondro fanjakana môderna, niorina tamin' ny taona 1948, izay Isiraeliana ny olom-pireneny fa tsy Isiraelita. Na dia naorin' ny Jiosy ho fanjakana jiosy aza i Israely dia tsy Jiosy daholo ny olom-pireneny — ny sasany dia Mozilmana, ny hafa Kristiana, Bodista na Ateista, eny fa na dia Agnôstika sy Teista aza — ary mandrafitra ny 25 % amin' ny mponina ao amin' ilay firenena. Fanampin' izany, na dia Jiosy maro aza no mahatsapa fa tena mifandray akaiky amin' ity firenena ity amin' ny maha Tany Masina azy, dia tsy olom-pirenen' io firenena io izy ireo.

Araka ny lovantsofina jiosy[hanova | hanova ny fango]

Ny razambe roa ambin' ny folon' ny fokon' i Israely[hanova | hanova ny fango]

Tany am-boalohany, ny Zanak' i Israely dia ireo zanaka roa ambin' ny folon' i Jakôba - nantsoina hoe Israely taorian' ny niady tamin' ny "anjely sy ny olona" - io patriarka io izay hiavian' ny foko roa ambin' ny folo: Robena, Simeôna, Levy, Jodà, Dana, Naftaly, Gada, Asera, Isakara, Zebolôna, ​​Jôsefa ary Benjamina. Ny Torah indraindray dia miantso azy ireo hoe "zanak' i Jakôba", indraindray "zanak' i Isiraely". Rehefa tonga tany amin' ny tany Gôsena (avaratr' i Ejipta) notendren' i Faraon' i Ejipta azy ireo, dia i Jôsefa no praiminisitra, ka nihamaro be ny taranany. Antsoina hoe "Zanak' i Israely" koa izy ireo.

Araka ny voalazan’ ny midrash (famakafakana), dia i Jakôba no lehibe indrindra tamin’ bny patriarka telo (Abrahama, Isaaka, Jakôba), satria izy irery ihany no afaka namorona fianakaviana izay nananan' ny mpikambana rehetra toetra tsara. I Abrahama no taloha indrindra amin' ireo patriarka telo ireo, i Abrahama no rain' ny zaza roa lahy: i Isaaka (Itzhaq amin' ny teny hebreo, izay midika hoe “hihomehy izy”) sy Ismaela (izay midika hoe “nandre Andriamanitra”). I Isaaka diai niteraka an' i Jakôba sy an' i Esao, izay lasa mpihaza nandritra ny androm-piainany. Namidiny tamin' i Jakôba zandriny koa ny fizokiany ho takalon' ny voanemba mena (“edom”) iray lovia, dia i Jakôba izay lasa patriarika ho an' ny firenena jiosy.

Nanomboka tamin' ny fialàn' ny Zanak' i Israely avy tao Ejipta[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny Bokin' ny Eksôdôsy, ny Israelita (ny Jiosy) dia antsoina foana hoe "Zanak' i Israely”, indrindra rehefa miresaka amin' i Mosesy Andriamanitra.

Taorian' ny naharava ny fanjakà-mpanjaka mitambatra dia nanjary nantsoina hoe Fanjakan' i Jodà ny fanjakana tany atsimo, fa ny fanjakana tany avaratra (izay nahitana ny faritanin' ny foko folo tamin' ny foko roa ambin' ny folo) kosa dia nitahiry ny anarana hoe Fanjakan' i Israely; ny Israelita no mponina tao aminy. Mbola nanondro ny foko jiosy roa ambin' ny folo sy ny taranany koa anefa ny tany hoe "Israely".

Amin' ny heviny miitatra, ny teny hoe “Zanak' i Israely” dia manondro ny Jiosy amin' ny fitambarany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]